jeu.
10
juin
2010
Voalaza matetika fa hoe arakaraka ny mampaharitra ny fotoana hanaovana azy no mampatsiro ny firaisana aranofo.Tsy voatery hitombina foana anefa izany, raha araka ity andrana manaraka azo
alain-tahaka ity.Mety ho vita haingana
sady tsara anatin’ny dimy minitra fotsiny ny firaisana ara-nofo. Voajanahary ao anatin’ny vatan’ny olombelona ny filana hanao firaisana ara-nofo. Mampirongatra ilay filana mahery setra sy te ho
hetsaka haingana, tonga tampoka ary tsy hay fehezina ao anaty ao io dimy minitra io. Mivoaka
ho azy ny toetra bibibiby afenin’ny zanak’olombelona tsirairay ary betsaka ireo zavatra azo trandrahana manaraka azy. Haingana toy ny rivotra ny fanalana fitafiana sy ny fifanorokorohana
isan-karazany. Mety tsy hisy fotoana firy ho
amin’izany intsony aza fa ny vain-dohan-draharaha hamoahana ilay filana masiaka no mahadodona. Izay manenjika fotoana izay indrindra no vao mainka manome tsirony ny fihetsika rehetra miainga eo.
Ireo efa nanandrana dia
nanambara mihitsy fa miverina amin’ilay fitiavana voalohany ny mpivady rehefa manao firaisana ara-nofo dimy minitra vita tsara sy vita haingana. Fomba iray ialana amin’ny mahazatra rahateo ny
fanaovana izany. Variana mitolona amin’ny rotorotom-piainany andavanandro ihany koa ny olona amin’izao vaninandro izao, ka hila tsy hanam-potoana atokana ho amina firaisana
ara-nofo maharitra ela loatra intsony ny ankamaroany. Mety ho azy ireny tsara ilay dimy minitra, vita haingana sy vita tsara.
@ko alo dc tsy ampoy ny 5mn anaovana fa mila eo @10 kah@ 20mn eo
ahoana moa no dimy minitra fotsiny no hanaovana firaisana ara-nofo,moa tsy ny vatana iray manontolo mintsy ve no mila tairina ka dia ho5mn fotsiny ,tsy ampy izany fa au moins 30mn,mande par etape ny exitation rehetra,
tsy tsara izany 5mn fa mba indray andro ahay??
manararaotra kosa ra 1andro be zao e
