mer.
09
juin
2010
Inoana fa tsy vitsy ireo nanontany tena ny takarivan’ny sabotsy teo hoe : « Inona ity lanonam-panjakana alefa mivantana amin’ny TVM avy eny amin’ny Kianjan’Andohalo ity ? ». Gaga ny rehetra ! Efa nisy fanentanana ny olona ve fa hatomboka tamin’io daty io ny fankalazàna ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ? Naseho teo daholo, na hira faneva, na ny sary famantarana…na ny teny entina hankalazàna izao fetifety izao. Iza avy no nanatrika? Ireny izany no raiamandrenin’ny malagasy ?, ireny no solontenan’ny tanora sy ankizy hodimbin’ity firenena ity? Ireny no solotenam-panjakana afaka hihambo fa mpitarika izao fankalazàna izao? .......
Aza omena tsiny ny hafa raha hanakiana sy hijery amin’ny fomba hafa “ny fotoana natao ankahamehana” toy ireny. Mba satry anie rey olona hiaraka, hijejojejo amin’ity 50 taona hankalazaina ity e, satry mba hiara-hifaly sy hitoto hinjakafa zava-dehiben’ny fitiavan-tanindrazana no iainana. Vao nirodana ilay fanjakana malagasy nijoro teto, izay fototry ny fahaleovantenantsika, dia efa fantatra fa isika tato anatin’ityMadagasikara ity dia nisy niray tsikombakomba nahatongaantsika ho resin’ireo mpanani-bohitra tamin’izany. Velona tao am-pon’ny manam-panahy rehetra ny fanoherana izany “firodanana” izany. Nanohitra ny Menalamba, VVS, ny MDRM,ny Jina, sy ny fikambana marobe nitolona ho amin’ny fiverenan’nyfahaleovantena. Tsy ireny ve no ilay hambom-po syrehareha any anatin’ny malagasy rehetra any. Iza amintsikaizao no velona ho an’i Madagasikara, ka manana ny hambotoy ireo razam-bentsika ireo?Ao anatin’ny fanatontoloana ny politikan’izao tontolo izaoankehitriny, ary tsy afaka ny hanava-tena ho fahavalon’izaotontolo izao isika ka handika vilana ny hoe: fahaleovantena…Raha tena ny fiverenan’ny fahaleovantena marina no hankalazainadia tsy tokony ho vondron’olona tsy afaka hampirayvolo ny malagasy rehetra no hihambo hitarika sy hifehy nylanonana eto. Tsy mpitarika misora-tena ho raiamandrenykanefa tsy afaka akory hampiravoravo ny rehetra amin’nyalalan’ny fahatsoram-po sy ny fanentanana hiara-hifaly.Ankehitriny dia ifandroritana hatramin’ny sainam-pirenena,ny dikan’ny fahaleovantena. Tsy misy manafika ny firenenamalagasy amin’izao fotoana izao, fa isika ato anatiny no tsymifanara-kevitra. Tsy toy ny niseho tany Irak ka nanafihana nyfanjakana tany akory no eto, na ny any Afghanistan izay misyfifandrohitana ara-tafika.Tsy mora ny firaisan-tsaina ateraky ny hambo sy fitiavantanindrazanasatria navarina tany anaty hantsana lalina ilaymba niraisana. Very ny fihavanana. Samy mihevi-tena ho Debasy sefo, daholo izay mba afaka miteny rehetra. Azo adika vehoe: Afaka mifaly satria mbola tsy misokatra amin’ny rehetrany haino aman-jerim-panjakana? Afaka hiravoravo satria dia misy ny gadralava noho ny hevitra navoakany? Afaka hifetifetysatria mbola mananontanona ny fisamborana ny hafafijery? Afaka hilanonana satria tsy mirindra ny fifampitokisanaeo amin’ny tafika ho aro sy mandan’ny tanàna? Afaka mitsinjakasatria goragora ny fifampitokisana sy ny fifamatoran’nympitondra sy ny vahoaka entina? Aza matin-kambo sy hibitaka amin’ny zavatra tsy hay akory ny foto-pijoroana sy ny anto-pisiany e!Ony RAMBELO
Maha lasa heritreritra ny zavatra rehetra misy eto madagasikara...na dia izao fanokafana ny fankalazana izao aza dia efa namdamoka, mahamenatra, vitavitaina fahatany. Fa nahoana aza? matahaotra ny vahoaka hihohatra sa sao tsy hisy ho tonga? Tsy mahagaga ny rehetra raha manahy dia manahy mafy fa tsy handeha amin'ny laoniny ity fankalaza ity. Ahoana tokoa moa no hankalaza ny faha-50 nefa misy am-pahan'ny Malagasy maro tsy mafaka miteny na am-pitahorana, na gadraina? Tsy m isy resaka mazava eto fa hafinafina daholo. Ny mpitondra moa olona voasazy, ny entina, ny sasany be vava ny sasany tapenam-bava.. Ny aren-tany hamidy tsy am-piheverana...Ny vahoaka malahelo fa sady sahirana no voaporitra, tsy manan-koanina sy very anjara fa tsy manana asam=pivelomana intsony....Ka raha izao dia " Menatra aho ry Fireneko fa olona toy izao no manjaka sy mampijaly ny Malagasy"... Asa ? ho aiza aza isiky ity?...Aleo angamba hapetrapetraka ny fankalazana ka rehefa mahita vahaolana ry rehetra vao mankalaza am-pamendrehana.
mba fantatrareo moa ve fa amin'ny tsy misy lanjany ny fat na hat na tsy hay intsony, dia izay taratasy rehetra misy ny cachet m-panjakana dia tsy misy valeureny avokoa? mitandrema ihany isika izay manao taratasy satria rehefa miverina ny tena fanjakana dia voatery hamerina hanao fangatahana vaovao indray.
samia mandinika sy mamakafaka isika ny amin'ireny zava-nitranga ireny. fanonkafana ny jobily lehibe nahazoantsika ny fahaleovantena nefa reny no niseho, tandrametaka sy alasafay; sa ve hoe:" tsitan'izy tsy nanao io"???
