mar.

08

juin

2010

Mosavy sa… Maniry tandroka ny handriny

Mahagaga mahavariana ! Tsy fantatra fotsiny tsotra izao fa dia naniry tandroka ho azy teo ny handrin’ity ramatoa.

Ruifang Zang no anarany, 101 taona izy ary avy ao amin’ny tanànan’i Inlou, any Henan, Chine no fihaviany. Efa ho herintaona izay no nisy zavatra anankiroa naniry, toy ireny tandroka ireny, teo amin’ny handriny. Mafimafy ilay izy rehefa tsapaina ary mahatratra 6sm eo ny halavany.

Niteraka resa-be teo amin’ny tanàna nonenany ny nisian’izao trangan-javatra izao satria ho an’ny mponina manodidina dia devoly nilatsaka eto an-tany no andraisana an-drtoa Zang. Soa fa tsy fahita amin’ny fiarahamonina ankehitriny intsony ny sazy fanamelohana ho faty. Raha tsy izay angamba dia ho mety niharan’ny sazy faran’izay mavesatra ity ramatoa ity.

Rehefa natao fizahana anefa izy dia voalaza fa “kératine”, izay akora fahita amin’ny hoho, ilay manamafy azy iny io maniry eo amin’ny handriny io. Vokatry ny fijanonana ela loatra amin’ny masoandro no antony mety mahatonga izany, na ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana ao amin’ny vatana.

Efa nahitana tranga tahaka izao ihany koa tamina vehivavy iray 95 taona, mbola tany Chine ihany.  

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra