mar.

08

juin

2010

Vaky damizàna

Nahabe resaka teo amin’ny sehatra politika malagasy tokoa tamin’ny fotoan’androny, ny nandroahana iny olona iny, niala teto. Mpitondra fivavahana nahay niara-nonina tamin’ny Malagasy iny olona iny. Teny amin’ny faritra iva sy fonenan’ireo mahantra no niasa sy nonina izy ka tsy nahagaga ny toy izany. Nandritra ny fotoana nipetrahany teto, tamin’izany dia tsy nitsahatra naneho hevitra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana teto iny olona iny, tamin’ny alalan’ilay fikambanana «fiaraha-monina sivily » nisy azy.....

Voaroaka iny olona iny tamin’ny taona 2007. Niverina izy ankehitriny ary manambara fa diso ny fandraisan’ireo fikambanana iraisam-pirenena (indrindra ny any Eraopa) ny tena zava-nisy marina eto Madagasikara. Tsy tokony hanasazy izao fitondrana efa mijoro ankehitriny izao ny firaisam-be Eraopeana araka ny hevitr’iny olona iny, satria ny ankapoben’ny mponina no voa mafy amin’izany, ary vao mainka hihalalina ny fahantrana. Fa nodian’iny olona iny tsy noresahana mihitsy ny fahatapahan’ny fifaneraserana ara-barotra tamin’ireo firenen-dehibe izay nateraky ny fibodoana fahefana sy fitantanana mandeha ila ataon’ity fitondrana tetezamita ity.

Milaza ho mahay kokoa ny tena anaty vilanin’ny malagasy iny olona iny, raha naneho ny fomba fijeriny ny zava-misy eto amintsika ankehitriny. Dia io izy milaza ho mahafantatra ny tena fototry ny olana malagasy io. Fa nahoana tokoa ary iny olona iny no voaroaka fahiny e? Ary mpaminany tsy masina an-taniny angaha izy iny ka aty amintsika izy no mahazoazo aina tsara amin’ny fanehoan-kevitra isan-karazany? Sa ny fiaraha-monina malagasy mihitsy no mila vahiny toa iny olona iny, vao afaka hahatsapa izay mahasoa azy kokoa? Tsy aleo ve “samy miala zanako” a!

Dadan’i Ranto.

 

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    rijarija (mardi, 08 juin 2010 14:18)

    Araka ny tsilian-tsofina henoko dia iraky ny Françafrique fotsiny iny lehilahy mompera iny

    Politisian'ny Franc-Maçon françafricain

  • #2

    kiks (samedi, 12 juin 2010 15:18)

    Tsy mompera tena izy iny olona iny ka

  • #3

    Randrana (dimanche, 13 juin 2010 23:42)

    Pere Urfer dia Pere Jesuite ary ny Jesuite dia mopera tsy mazava ary malalaka be ny fifehezana ao aminy ary miavaka satria afaka manao zavatra maro toy ny fikarohana izay atao eny amin'ny Oniversite na inona io na inona. Tsy azo antoka satria ny lalana mifehy azy ihany koa dia toy ny miaramila satria miaramila ny Lehibe nanorina azy dia I IGNACE DE LOYOLA. io Rangahy io no namerina ny fahefan'i vatican taorian'ny adin'ny finoana tany eropa. Ny Jesuite dia saika Mafia ary ny lehibeny amin'izao= THE BLACK POPE (SUPERIOR GENERAL JESUIT)ou Pape noir izay tena manao asana fitsikilovana sy fanangona-kerena eratany izay miisa firenena 89. Ny jesuite dia atoko politika miafina ao anatin'i VAtican ary i Vatican dia firenena ary i Pape no filohany. Dikany manao politika fa mpadainga ary misoratena ho masina nefa pedophile. Aoka ho mailo indrindra ny gasy fa fitapitahan'ireto Jesuite mafia sy ireto solotenan'i Vatican Gasy sy vazaha mpangoron-karena ireto.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra