mar.

08

juin

2010

Faha-50 taonan’ny fahaleovantena: Logo sy hira faneva hono e!

Notanterahina tetsy amin’ny kianjan’Andohalo, ny sabotsy lasa teo tamin’ny maty masoandro ny lanonana nampahafantarana ny mari-pamantarana (logo) sy ny hira fanevan’ny fankalazana ny faha-dimampolo taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Tonga nanatrika izany ingahy Andry Rajoelina, filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita (Fat) sy Ramatoa vadiny notronin’ireo mpikambana maro avy amin’ny governemanta sy ny mpikambana ao amin’ny FAT. Taorian’ny nanehoana ilay « logo » sy niredonan’ireo antoko mpihira maromaro nitambatra ny hira faneva, no nanambaran-dRamatoa Rakotomalala Mireille, minsitry ny Kolontsaina sy ny Vakoka fa : « misokatra amim-pomba ofisialy ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena »......

 

Tsy nisy nahalala

Nampanontany tena ny mpanara-baovao iny hetsika tsy nampoizin’ny maro iny. “Fa nahoana no natao mangingina toy ireny ny fotoam-panokafana kanefa re matetika fa hankalazaina amim-pomba manetriketrika sy amim-pomba miavaka ny fetin’ny fahaleovantena taon’ito ? Tsy karazan’ny fanilihana ankolaka ny vahoaka, indrindra ny mponin’Antananarivo ve ny tsy “nanasana” na nanentanana azy hanatrika iny lanonana iny ? Nahoana no tsy nisy antso sy dokam-barotra na filazana mikasika iny lanonana iny ? Naninona raha natao tany amin’ny toerana manokana, toy ny teny amin’ny lapam-panjakana teny Ambohitsorohitra na toerana tsy azon’ny besinimaro idirana, rehefa tsy nanasana vahoaka ihany ?

Tsy nisy nahafantatra ny fisian’iny lanonana iny tokoa ny sarabambem-bahoaka raha tsy sendra namadibadika ny onjam-peo na fahitalavitra ka nahita tampoka ny fitantarana mivantana nalefa tao amin’ny radio sy fahitalavi-panjakana. Teo vao samy nanontany tena hoe “ry zareo mpitondra ao amin’ny Fat sy ny manodidina azy akaiky ihany ve izany no hankalaza ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena, fa tsy mahakasika ny firenena iray manontolo izany ?

Asa fa dia teo amin’ny kianjan’Andohalo, kianja manana ny tantarany sy ny hasina ary soatoavina raketiny no nanambaran’ny Ministry ny kolontsaina sy Vakoka ny “fisokafan’ny lanonana”, tahaka ny nanambaran’ingahy Tsiranana Philibert ny nahaterahan’ny Repoblika Malagasy, ny 14 oktobra 1958.

Hambom-pom-pirenena ?

Fa nanitikitika ny mpanara-baovao ihany koa ny hoe “nipoitra avy taiza ireny sary famantarana (logo) sy hira faneva ireny ? Mba nisy antso fifaninana nisokatra ho an’ny olom-pirenena manan-talenta ve nahafana nisafidy ka nanapahana hoe ireny no lany ? Ny mpanakanto rahateo maniry ohatry ny anana eto Madagasikara. Raha nisy izany, dia iza avy ireo mpitsara nanapa-kevitra nandany fa ireny no sary famantarana sy hira fanevan’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena ? Sa mbola ny fanapahan-kevitr’olon-tokana ihany koa no nivoahan’ireny ?

Dia mahareta amin’ny honohono sy ny tsaho efa niainana hatrizay 15 volana izay far aha izay mangaraharaha izany mbola nofy aloha hatreto.

Tsy hitsikera ny hoe ratsy na tsara, na mifanaraka na tsia amin’ny lohahevitra nofidin’ny mpikarakara akory, fa raha iny lanonam-panokafana iny no hiaingana, dia azo hitarafana izay mety ho fizotran’ny fankalazana nanomboka ny sabotsy teo hatramin’izay mety ho fiafarany. Asa aloha fa ny filohan’ny Fat ihany no efa nilaza fa tsy nisy zava-bita nisongadina teto nandritra izay 50 taona izay, ka izany angamba no mety mahamantamanta ity raharaha ity, satria ny hambom-po hanova izany izao no ventesina, miainga amin’izao firenena efa mitoka-monina ara-piaraha-miasa izao!

Rakoto

 

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    Beloha (lundi, 07 juin 2010 20:12)

    Mba té hametraka fanontaniana hoe: inona ny hevitra fonosin'io sary io? tsy dia hitako taratra loatra mantsy hoe midika inona fa toa "classique" mba tsy hitenenana hoe tsy misy manaitra. Manaraka izay toa hoe i Max exception no namorona ilay Hira: toa "décevant ihany satria raha ny fahafantarana io mpanakanto io dia tsy hira hiraina miaraka amina amboaram peo (chorale avec violon!!!???)zany no "insipaka-ny" fa hira ho an dr'i Joy K sy ny Bolébolé, ho andr'i Pazapa...

  • #2

    Nirina (lundi, 07 juin 2010 20:20)


    Quelle horreur !
    Ce logo HORRIBLE mamparikoriko est à l'image des ces gens là: << Ny HAT dia manolotra ANTANDROA sy ampifaliana, ho an' izay rehetra te-handroba, hangalatra, ary hanapotika tanteraka an' i Madagasikara. >>

  • #3

    rambelo (mercredi, 09 juin 2010 10:27)

    io logo io dia midika fa atosika i gasikara, atosiky ny tanana anakiroa tsy fantatra hoe tanan'iza? tsy tanako aloha io e

  • #4

    rijarija (mercredi, 09 juin 2010 15:59)

    Tena tsy misy dikany e
    Aiza ny concours, maninona no natao unilatéral hatr@ logo

    FAT mampihomehy loatra kanefa mbola eo ka manimba firenena. Ndao esorina speed

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra