lun.
07
juin
2010
Mahatoky tena ny fitondrana tetezamita, fa higorisogorisamankany mankany amin’ny Repoblika fahefatra, hono, iMadagasikara. Feno dia feno ny fanantenana manoloana ireotranga isan-karazany. Marobe tokoa ny tolo-kevitra ho amin’nyfamolavolana ny lalampanorenana vaovao. Ny tetik’asa goavanaefa nandraisana « avansa » moa dia io iaraha-mahita iofa misononoka manaraka iny lalana iny. Izay rehetra mpanaovavabe sy mpanakiana ary tsy miray feo amin’izany dia mipirinasy mamato-tena any amin’izay iafenany any.Vitsy an’isa sy tsy manana ny mpomba azy tokoa ve izanyny Ankolafy Madagasikara ity e ? Tsy manan-kevitra maharesylahatra azo hatolotra sy mba hodinihina ? Tsy mba manana nysori-dalana hotanterahina? Mandrebireby ny mpiray tanindrazanafotsiny kosa raha tsy misy valiny ireo rehetra ireo e!..........
Mahagaga fa raha hiverenana ny lasa dia toa feno olona ihanyio kianjaben’i Mahamasina io, raha nankahery ny mpombaazy ny mpitondra fanjakàna tamin’izany. Nifanindry tamin’ilayfampiambozonana ny samboady koa, dia feno olona ny kianjan’Ambohijatovo.Misy mpanohana ihany izany ry zareo satriana dia efa herintaona aza izao, dia mbola misy ihany ilay tolonalazaina fa kilezolezo eny amin’ny kianjan’i dada.Raha izao tokoa no hisy ilay fitsapana ny hevi-bahoaka diahanao ahoana re no hilaminan’izay mety ho fampielezan-kevitrae? Ireo rehetra nanolotra soso-kevitra tary amin’ilay komity taryTsimbazaza dia tsy maintsy hahazo alalana mazava ho amin’nyfamoriam-bahoaka izay hataony, fa izay hafahafa fihetsika hitarikany olona tsy handatsa-bato, na hanao <tsia>.dia inoanamarimarina fa hiala maina.Dia iza hono izany no hitandro ny filaminana sy hiaro nyain’ireo tsy mitovy hevitra? Sa dia harahim-basy hatrany amin’nyvata mangarahara fandatsaham-bato ireo mpifidy tsirairay? Ôlehiretsy a! sao hitsambiki-mikimpy amin’ny tsy antony lahy!Fa inona tokoa moa no sakana tsy hijerena ifotony ny tenaolana eto amintsika? Tsy azo ambara ho fotsy mangatsakatsakadaholo akory ny mpitondra teto. Kapoka iray toa valiham-boka,ary anaty kitapo iray daholo satria mihevi-tena ho manana nymarina tsy maintsy hitompoana. Tsy gaga ankehitriny ny mpanara-baovao raha maminavina fa mbola ho lava ny ity tetezamitaity, sy ilay tetezamita mbola vao hatsangana. Tsy Repoblikafahaefatra izany no haterak’izao fakan-kevitra sy saritsarim-pifidiananahatao eto izao fa fampijoroana tetezamita maharitrasy lavareny. Dia hitohy ny tantara, hitohy izao rehetra hitan’nymaso izao, hitohy ny fampahanginana ny hafa, hitohy ny gaborarakasy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena,hitohy ny vavan’ny gisalahy homan-ketsa, hitohy koa ny fierenaany anaty lobolobo sy ery am-pitan-drano. Hitohy ny haingodiso an’Iarivo sy ny hevitry ny be filirony. Ony RAMBELO