lun.
07
juin
2010
Tsy mbola resy mihitsy ny Makis junior nandritra ity fifaninanana ity izay natao tatsy La Réunion. Ny ekipan’ny Nouvelle-Calédonie nolavon’ny ekipan’i Eric Sefo tamin’ny isa 24 no 17 nandritra ny lalao famaranana. Ankoatra an’ny La Réunion mpampiantrano dia nandray anjara ihany koa ny Maorisiana, ny Mahorais ary ny Nouvelle-Caledonien.
Teo amin’ny fifaninanana nokarakarain’ireo mpanao broderie ny alahady lasa teo tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam kosa dia lavon’ny IRC tamin’ny isa mavesatra 24 no 13 ny US Ikopa. Lalao izay tsy niady firy akory tany amin’ny fizaram-potoana faharoa. Hita ho valaka mantsy ny mpilalaon’Ikopa raha nanovokovoka mafy nandritra ny fizaram-potoana voalohany.
Zaka Fils