lun.
07
juin
2010
Veloma ry fanampiana isankarazany! Nafoy tao anatin’ny herintaona mahery kely monja ny fanampiana maro azon’i Madagasikara hatramin’izay. Vokatry ny fanonganam-panjakanateto amintsika, ka nahatonga izao tontolo izao nanameloka ity nosy malalantsika ity. Namoy ny asany ireo mpiasa aman’aliny. Io nomba hany fivelomany, ary nandaozany ny fianakaviany tany ambanivolo, ary niakarany teto an-drenivohitra. Indrisy anefa, fa nafoy tao anatin’ny fotoana fohy ny asa nivelomana teto, noho ny resaka AGOA.
Firenenaisan’ny matanjaka eran-tanyny Amerikana. Tsy voarebirebin’nyfilazana etsy sy eroa,fa vokatry ny nahim-pony nonialan’ny filoha teo aloha teoamin’ny fitondrana. Mitakyny hametrahana ny firenenaara-dalana io firenena goavanaio, saingy hatramin’izao,dia io hiarahantsika mahita io.Niditra an-tsehatra ihany koany vondrona Afrikana, saingynandamoka hatrany ny dinika,noho ny finiavan’ankolafy iraytsy te-hiara-miasa amin’nyankolafy telo hafa. Nametrakany sazy ho an’ireo mpitondra109 izy ireo, ary mbolamitaky ny hisian’ny dinikahivoahana amin’izao krizyizao. Niala nenina hatranykoa ny vondrona Eropeanina,saingy afaka adidy amin’nyfatana izy ireo, fa nandrosokitay tsy nirehitra. Nisoka toyny ora-panala ny sazy avyamin’io vondrona io ho an’iMadagasikara. Mihatona avokoany fanaovana ny tetik’asaisan-karazany satria tapakany FED andiany faha-10. Tsyhisy lalana sy sekoly ary hopitalyho vita eto. Ny tetezanasy ny tsena amin’ny alalan’nyACCORDS, dia natao velomaavokoa. Ny tontolo ambanivohitraanefa no tena nahitatombony betsaka tamin’izany,raha tsy hilaza afa-tsy ny faritraatsimo.Potika ny toe-karenaMalagasy, ary vitsy ny mpandraharahasahy mampiasany volany eto Madagasikara. Tsy ny famarotana ny harempirenena toy ny any Soalalano hahatafarina ny fihariana eto. Tsy vitsy no milaza fa tsy tafatsangana amin’ny maty ny FAT. Zava-doza ny fanaovanavaro-boba ny harem-pirenena. Ilaina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny firenena eran-tany, satria tsy mahavitatena isika. Ireo rehetra niditra tamin’izany, dia manana nyfiandrianam-pirenena avokoa, saingy miasa miaraka no fahombiazana. Niala avokoa ireo mpamatsy vola vahiny. Sahy hilaza ve ireo mpitondra ankehitriny, fa tsy mila ireo firenena ireo intsony? Ny azo antoka, dia hibaby taikaitra izay mpitondrahitondra eto amin’nyrepoblika faha-efatra eo, satriaho mora ny hamerina ny fitokisan’ireompamatsy vola ireo.Nisy ve izao ratra goavanaizao, raha toa ka nahay nifandaminatamin’ny ankolafyhafa ity FAT ity ? Sa avelao ny vahoaka hizaka ny mangidy, satria toa tsy misy fiantraikany any amin’ny mpitondra ireny karazana sazy mirarakompana isan-karazany ireny? Vainafo zanany
Ny vahoaka no maty antoka fa ny hanafongana sy ny hanafongana ny fananam-panjakana(volam-panjakana,harena ankibon'ny tany...)no tanjon'ny FAT.Izy mpitondra rehetra voky dia migalabona any andafy any fa ianao vahoaka mba aiza.Mba misaina RAMALAGASY o!
