ven.

04

juin

2010

Ray aman-dreny hoe ?

Difotry ny fahantrana ny firenena, noho ny adilahy politika. Miaiky izany avokoa izao tontolo izao. Manomboka taitra tamin’ny torimasony ireo milaza fa ray aman-dreny eto amin’ny tanàna. Tsy hidirantsika lalina ny hoe taiza izy ireo hatramin’izay, no navela ho rotindrotiky ny fahantrana ny firenena sy ny vahoaka ao aminy vao taitra......

Ny mampalahelo amin’ireto milaza azy ho Ray aman-dReny ireto dia fanilihana ny finiavan’ny avy any ivelany handamina ny raharaha eto Madagasikara. Mety ho marina ny an’ireto olobentsika ireto manambara fa vita eto, tsy ilana vahiny ny fandaminana ny raharahan-tokantranontsika, saingy ny tsy azo lavina, dia efa samy nitsapa ny handamina isika, saingy io mbola savorovoro io no miseho.Tsy mora ny mandamina firenena, ary tsy azo hiamboana io. Ny tsy azo hialana, dia maro amin’ireo milaza ho Ray aman-dReny ireo anie no tsy afaka mandamina ny eo anivon’ny antoko misy azy e, eny ny tokantranon’ny sasany aza toa tsy voalamina, nefa manenitra ny vahiny ho any anjorombala.Tsy hisy ray aman-dreny hitazana ny zanany hifamonoho faty, fa hijoro hananatra ny velona. Ela no niandrasana fampihavanana sy firaisan-tsaina, ary tsy niafara toy izao ny tanindrazana, raha nisy nahay nanaja ny teny nomeny. Ekena fa ny dinika nasionaly sy ny fampihavanam-pirenena no lalana hivoahana amin’izao krizy izao, saingy efa mba nisy ve ny savaranon’ando tamin’ireo mpitondra tetezamita ireo, mba hankato izay tena hevitra tapaka eo ? Izay no tena ilana Ray aman-dReny, ary tsy sanatria fanivaivana ireo olobe ireo izao, fa tokony hipetraka aloha ny fihaonan’ireo ankolafy efatra efa nifanaraka, ary aorian’izay no hametrahan’ny hery rehetra ny fitsipika tokony hatao amin’ny hirosoana amin’ny Repoblika faha-efatra. Sa ny vahiny mihitsy no tena tsy misy hilana azy intsony, fa manasavorovoro seza fotsiny ?

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    rambelo (vendredi, 04 juin 2010 10:09)

    tsy misy ilana rayamandreny miara-mangala-pihinana amin-janaka. Rehefa tsy mahafehy ny ditran-jaza dia tsy maintsy hakorain'ny fiaraha-monina.

  • #2

    RaFahamarinana (vendredi, 04 juin 2010 12:32)

    Tena miala tsiny, miala fondro raha hanoratra fa tsy tohan'ny saina aman'eritreritra ny zavatra hita sy ren'ny sofina mikasika ireto ambara ho "Raiamandreny".
    Misy Mpitandrina roa efa misotro ronono ao, izay samy iaraha-mahalala fa nanao V (marika amin'ny tanana) tery amin'ny 13 Mai tamin'ny nitaoman'i TGV azy ireo tamin'ny taona 2009 ireny. Ny inona moa ry Pasitera no manao marika amin'ny tanana : ny SATANA Tompoko ô.
    Samia isika mamakafaka tsara io voambaran'i Rambelo io (Raiamandreny miara mangala-pihinana amin-janaka sy Raiamandreny tsy mahafehy zanaka). Hitodio ny tantara ary ampifandraiso amin'ny voambarako fa tena marina tsy misy hanalana ny voalazany.

  • #3

    rambelo (lundi, 07 juin 2010 11:05)

    mba satriko tokoa ra-fahamarinana ny hanaovana ady hevitra mahakasika ity hoe raiamandreny ity. Tsy tongatonga ho azy sy japiana fotsiny io fa misy dikany be dia be.Ray aman-dreny ve ny iantsoana ny reny manary zanaka any an-davapiringa? ray aman-dreny ve ny mpimamo mamono vady aman-janaka isan-kariva ka tsy mba misy ady hevitra azo atao fa daroka avy hatrany raha vao misy dinika atao?
    Dia anjarantsika ny mandinika e! Very ny asa marobe teto amin'ny firenena satria any an-davapiringa zao ny MCA, Agoa...
    Izay mba miresaka izao dia vonoina sy darohina dia aiza izay ray aman-dreny to teny?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra