ven.

04

juin

2010

Kapaotim-behivavy: Ny fomba fampiasana azy

Jereo ny sary rehetra eny amin'ny tohiny

Raha hisoroka ny fahatongavan’ny vohoka tsy iriana sy nyaretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo dia ny fampiasana fimailo aloha hatreto no fomba mahomby sy azo antoka indrindra. Saika ny fimailo natokana ho an’ny lehilahy ihany anefano tena voaresaka matetika. Misy ary efa amidy eto amintsika ihany koa anefa ny fimailom-behivavy. Tombony manokana amin’ny fampiasana azy dia izy azo antoka hatramin’ny 95%.....

Momba ny lafy ratsiny indray dia mety hiteraka fanelingelenanaeo amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo izy, indrindra raha tsyhay ny mampiasa sy mametaka azy. Mety hamoaka feo mikasokasokaihany koa ny kapaotim-behivavy rehefa ampiasaina.Torohevitra hisorohana izany anefa ny fanamandoana azyamin’ny “lubrifiant”, na ny fanovana ny fihetsika atao.Ho fampahafantarana tsotsotra ary dia fantaro fa azo atsofokaadiny valo mialoha ny firaisana ara-nofo ny fimailom-behivavy.Azo atsofoka eo am-pitsanganana izy, na ny tongotra ilanymiakatra ambony seza, na ihany koa eo am-pitombenana, namatory sady sokafana ny fe.Tahaka izao ny fanazavana tsotra an-tsary, mikasika izayfampiasana kapaotim-behivavy izay.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    be fo (lundi, 26 juillet 2010 13:05)

    ka aiza no misy mivarotra azy io eto Antananarivo?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra