jeu.
03
juin
2010
Sahady ? Volana faha-enina tokoa ny taona 2010. Hilanonasy hifety isika e ! Fety anaty kizo mahafinaritra ? Hankalazainany andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, ka “karavanona” lavabe miala eto analamanga hatrany bongolava nohifaliana sy ho fanamarihana izany. Ny volana jona ihany koa diavolana ho an’ny tenin-drazantsika. Dia hiakanjokanjo malabarysy hitafitafy lamba eo. Fifaliana izany k’ah! Eo ihany koa ny iray volana ho an’ny ankizy, dia samy hijery akaiky ny momba ireotaranaka ireo izany ny rehetra e!..Hisy ihany koa ny fikaonandohaara-politika mialoha ny fetim-pirenena izay hiravoravoana eto na inona na inona faha-samihafan-kevitra. Ary mandritra ity volana jona ity dia raikitra koa ny fodiana alina amin’ity fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany eo amin’ny baolina kitra.....
Eny ary fa hifaly izany e! Ny krizy dia revena manja miarakaamin’ity kifetifety marobe ity…kanefa ve hampilamin-tsaina syahafahana mifety tokoa ny tena zava-misy iainana?Moa ve tsy tokony ho filaminan-tsaina koa ohatra, no eoamin’ireo “tandroka aron’ny vozona” raha hanao ny fankalazànany fetim-pirenena isika? Marobe nefa ireo nogadraina sy nomelohinanoho ny ady hevitra sy ny fomba fanatanterahana baiko.Tany egipta dia teo amin’ny fanaovana matso ho an’ny fetimpirenenatokoa no niseho ny lonilony sy sakoroka ka maty tsytra-drano teo ilay filoha egiptiana tamin’izany andro izany…azamisy anie ny toa izany rahavako! DiaInoana fa samy hisaintsaina ny rehetra satria samy mahatsapa,fa ny ratsy atao amin-kavana anie, hono, toa mafanafana e!Aleo hifanatrehana ny fanafoanana hatrany ifotony ity krizymahafinaritra ity. Aza minia mikimpy, fa aleo misoroka toy izaymitsabo ny mby an-koditra. Satria dia sasa-mitazana faravodilanitrany zanaky ny dadany, rahoviana ihany ny fodiany antanindrazana?Fa ny onjan-dranomasina manko toa midobokamasiaka any antsisin’i afrika any. Aiza ihany koa i dadaben’ny zafiny, fa sasa-miandry ny eto an-tanàna,e? Ilay dadabe etoan-tanàna mantsy dia fotsy rora miteny noho ny afitsoky nyhaitraitran’ankizy saro-tenenina. Ry manam-basy, hono, mantsymanan-kery, ry manan-kery manan-tany, ary ry manan-tany manam-panjakana, fa soa ny manan-kavana e!...Tsy very fanantenana satria tao anatin’ny krizy mahafinaritra dia niavaka sy niseho masoandro ny mpamadika sy ny mpanao havana raha misy patsa. Soa ho’aho fa nisy krizy! Ony rambelo