jeu.

03

juin

2010

Atin’akanjom-behivavy: Mampanonofinofy ny lehilahy

Tsy ny fitafiana ety ivelany ihany no tokony hoentina hamaboana ny olon-tiana, fa ny atiny indrindra ihany koa.Amin’izao fotoan’ny mangarahara izao dia tsara ihany ny hahafantarantsika hoe karazana atin’akanjo inona no tena mampanonofinofy ireny taranak’i Adama ireny, araka izao fanadihadiana Ipsos nivoaka farany izao...

Voalaza ary fa ny 26%-n’ny lehilahy dia mankafy nyambony ambany “guêpières”miaraka amin’ny “porte-jarretelles”avokoa, izany hoe ireny atin’akanjo misy fitoerana ba-tongotra lava ireny.Ho an’ny atin’akanjo milokomena, misy kifatopatotra sy amboradara indray dia fantatra fa ny 14%-n’ny lehilahy no manonofy azy io ho eny amin’ny vatan’ny vadiny. Na somary efa tsy dia be mpiresaka intsony aza ny “string” eo amin’ny tontolon’ny lamaodin’nyatin’akanjom-behivavydia mbola mankafy azy io avokoa ny 28%-n’ny lehilahy, saingy mirona kokoa any amin’ireo karazany tsy dia fahita firy ny safidiny, toy ny“string” misy tadiny … Mbola mitana toerana ao anatin’ny nofinofin-dehilahy ihany koa, ankoatra ireo ny “boxer” sy ny kilaotikely. Ny 16%-n’ny lehilahy no fantatra fa tia mijeryazy io eny amin’ny vadiny, ka ny malamalama sy mitaratra no be mpankafy.Efa azoazonao an-tsaina ary izao ireo karazana atin’akanjo mahalasa adala ny lehilahy, ka anjaranao sisa no misafidy sy manao kisarisarina kilalao aminy hoe “inona ary ny atin’akanjo hanaovako aty raha fantatrao ô ?”.

Monica

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra