jeu.
03
juin
2010
“ Naniry ny ho aty Madagasikara aho. Tanteraka ny nofinofiko, ary isaorako ny vahoaka Malagasy tamin’ny fandraisana sy ny fiarahamiasa tamiko.” Telo taona no teto an-tanindrazana nymasoivohon’i Etazonia, Niels Marquardt, ary lany tao anatin’ny krizy ny tapany farany.Maro ny zavatra mbola tsy tontosany, noho izany,ho fanomezan-tanana an’i Madagasikara, ho fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka eo aminy,“saingy manana fanantenana aho fa hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny Malagasy”, hoy izy...
“Vonona foana izahay, tsy hamela an’i Madagasikara hilatsaka ny fianakavianairaisam-pirenena”.
Fanamby lehibe nydemokrasia
Nandritra ny resadresaka nifanaovan’ny gazety BasyVava tamin’ity Masoivohon’iEtazonia ity, no nilazany fa azon’i Madagasikara atao tsara ny mametraka demokrasia,tsara fototra ary mifanaraka amin’ny foto-pisainana malagasy.“Aza mandika ny misy any aminay, hoy izy, satria samihafa ny zava-misy. Ny foto-pisaina malagasy fotsiny dia afaka ny hahazoana azy, dia ny fahendrena,ny fiaraha-mientana ary ny fifamelana sy fifandeferana. Anjaran’ny vahoaka Malagasy ny mamaritra ny Lalàm-panorenana mifanaraka amin’izay fotopisainana izay.” Fanamby ny demokrasia satria iankinan’nyho avin’ny firenena. “Raha hisafidy ny lalàm-panorenana vaovao ny vahoaka, dia aoka hifandanja ny fahefana misy mba tsy hisian’ny fitongilanana.”
Atsaharo ny lalan-tokana!
Eo amin’ny lafiny politika,mazava ny toerana misyan’i Etazonia. “Raha mbolatsy mametraka ny fiarahamitantana sy teny ierana i Madagasikara, dia tsy hankato ny fahefana misy eto ny fianakaviana iraisam-pirenena, ary isan’izany i Etazonia. “Nanampy ary eo anilan’I filoha JoaquimChissano hatrany i Etazonia.Mbola izy rahateo no ekena hitantana ny fanelanelanana mikasika ny olana politika eto Madagasikara. Mpikambana ao amin’ny GIC izahay ary vonona hatrany hifanome tanana. Raha ohatra ka misy lalana hafa, ankoatra ny fiverenana any Pretoria, mifanaraka amin’izay fiaraha-miasa sy fiaraha-mitantanaizay, inona moa ny olana? ”Araka ny fantatra, dia nijorony atao hoe Raiamandreny Mijoro, eo ihany koa ny Komity misahana ny fandraisana ireo tolo-kevitra rehetra handrafetanany Lalàm-panorenana vaovao hidirana amin’ny Repoblika Fahefatra. “Betsaka loatra ny fihetsika sy hevitra napetraka,tao anatin’izay dimy ambin’ny folo volana izay, kanefa tsy nisy nahitam-bokany. Aoka atsahatra amin’izay ny fanjakan’olon-tokana,tsy eken’ny besinimaro,ary tsy mitondra mankany amin’ny fankatoavan’ny fianakavianairaisam-pirenena.
”Fifandraisana sy fanampiana“
Vao nahazo ny Fahaleovan-tenany i Madagasikara no efa teo IEtazonia, ary tsy hitsahatra ny hanampy azy. Efa nisy ny ezaka vita. Ohatra amin’izany ny tetikasa Usaid izay miasa eny anivon’ny tontolo ambanivohitra indrindra indrindra. Ny tetikasa farany iasana amin’izao fotoana izao (taona 2010) no betsaka indrindra, satria mahatratra hatrany amin’ny 81 tapitrisa dolara izany. Voakasik’izany ny sehatry ny fahasalamana, nyfampianarana, ny fanjakanatsara tantana, sns. Mbola metyhitombo aza izany, fa miandryaloha isika.”Voninahitra ho an’i Etazoniany nanao sonia ny fifanarahanatamin’ny firenena voalohanynahazo ny MCA (MilleniumChallenge Account), dia iMadagasikara izany. “Tsy nataoho mandraik’izay io tolo-tanana,satria natao ho tapitra tamin’nytaona 2009 izany. Voasedra ny tetikasa rehetra tao anatiny,saingy mbola misy ny fitohizan’ny sehatra efa tafapetraka,toy ny asan’ny Birao ifoton’ny fananan-tany. Faritra enina,amin’ny 22, no misy ny tetikasa MCA; efa niasa ny 90 tapitrisa dolara, amin’ny 110 tapitrisa tokony hamitana ny asa rehetra.Saingy, tsy dia maika ny hanohy aloha I Etazonia, amin’izao rivotra misy eto Madagasikara izao.”Hanainga tsy ho ela ho any Sydney ny masoivoho Niels Marquardt, ary maniry ny hivoahan’I Madagasikara amin’izao kizo izao, ao anatin’ny fandriampahalemana sy ny firaisan-tsain’ny samy Malagasy.
Raivobe
Monsieur l'Ambassadeur, nous vous remercions de votre sincerite et de vos actions en faveur de la legalite a Madagascar. Bous avez toujours travailler pour l'interet commun de nos deux pays et
surtout vous avez gardez votre tete froide devant les actes de ce pouvoir de fait a Madagascar. Nous avons confiance, comme vous' d'ailleurs, que notre pays s'en sortira et que le developpement du
pays sera l'ultime objectif dans les prochains demi-siecles.
Toute notre gratitude malgre les petits accrochages mediatiques et conflictuels relatifs a la crise malgache vis a vis de votre intervention ou votre personnalite.
Thanks again and we wish you full success in the next page of your history.
