mar.
01
juin
2010
Manoloana ny fanagadrana sy ny fisamborana ary ny fanakatonana ny radion'ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia nanao fanambarana ireo mpitandrina nivory tetsy amin'ny Tabita Ampandrana : - Tsy sitrapon’Andriamanitra ka toherinay ny fandatsahan’aina sy ny famonoana amin’ny endriny samihafa , satria hoy ny Soratra Masina , hoe : « Aza mamono olona ». - Lavinay ny fisamborana feno herisetra ataon’ny Mpitandro ny Filaminana izay nanampatra ny heriny, tahaka ny nampiharina tamin’ny Mpitandrina namanay , efa hatramin’ny 17 Martsa 2009 ary naverina indray tamin’ny 20 Mey 2010 lasa teo izay nandratra azy sady mampitondra takaitra ireo niharan’izany. - Toherinay ny tsy fanajana sy fanaovana zinona ary fikasihan-tanana ny Mpitandrina FJKM sy ny Mpitondra fivavahana hafa - Takinay ny hamoahana tsy misy hatak’andro ny Mpitandrina namanay sy ny mpiasan’ny Fiangonana ary ny vahoakan’Andriamanitra notànana am-ponja tsy an-drariny tao anatin’izao savorovoro izao. - Takinay ny hamerenana ny Radio Fahazavana , satria ny famoahana didy nanakatonana izany sy ny nakana ny fitaovan’ny radio dia sady fanapenam-bava amin’ny endriny hafa ny Fiangonana no mbola fandrobana ny fitaovana ihany. Mangataka izahay mba hatsahatra ny fakana ny fananan’ny Fiangonana . - Takinay ny hampitsaharana ny fampihorohoroana sy herisetra amin’ny endriny rehetra, atao amin’ny Fiangonana sy ny olona ao aminy. - Takinay ny hisian’ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra sy filazana ny vaovao marina.
zany nagaha ny fihofanana pasitera nataohatrizay sa efa nisy testameta vao² vao nosokafanareo nahitanareo politika ao anatiny ka hampiharionareo @zao fotoana izao de ny ondry no tadiavinareo ampiasaina!!angamba tsy rariny raha zany no miseho!!
