dim.

30

mai

2010

Fiarahabana ny RENY Malagasy avy amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana

Arahaba tratry ny Fetin’ny Reny, Ny Fankalazana ny Fetin’ny Reny ho antsika Malagasy anio, dia natao anamafisana indray fa ny famonjena antsika dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny Lanitra sy ny Tany (Salamo 121: 2). Ary dia isaorana anie, Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay antoky ny filaminana sy ny fiadanana, fototry ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Koa androany Alahady 30 mey 2010, hankalazantsika ny Fetin’ny Reny izao ary, dia raisiko ho fifaliana sy voninahitra ny miarahaba ny Reny malagasy rehetra tsy an-kanavaka, nahatratra ity andro anio ity. Ny reny malagasy rehetra, hoy aho, izany hoe ny vehivavy malagasy rehetra, ny reny amin’izao fotoana izao, sy ireo izay mbola ho reny rahatrizay, satria isika no loharano nipoiran’ity firenena malalantsika ity, dia ny Firenena malagasy, ary mbola hipoiran’ireo taranaka fara-mandimby amin’ny ho avy. Isika ilay voalaza fa “kitapo nifonosana”.......

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    leroy (dimanche, 30 mai 2010 12:19)

    misaotra betsaka!

  • #2

    fredy (lundi, 31 mai 2010 18:59)

    Izany ka olo-mendrika, matotra, hita fa be fitiavana, tsy manana lom-po.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra