ven.

28

mai

2010

Piso tsara fika

Maika ny famahana ny olana! Mikorontana ambony ambany ny fiainam-pirenena, ary tsy misy afa-miala amin’izany ny mpanao politika rehetra. Tranga nahamena trano nitranga teny Ambohitsaina farany teo, ary nampitombo ny laza ratsy hoan’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Voatery hanohy ny dinika atsy Prétoria ny ankolafy efatra eto amintsika. Mety hisy hery hafa hanampy azy ireo, izay tsy mbola voafaritra hatreto ny amin’izany. PrétoriaII no handikana io, ary tsy azo lavina fa misy andian’olona na mpanao politika io na fikambanana, tsy mankasitraka ny hisian’io dinika io, satria mety haha-very seza azy ireny......

Nisy ny fanambarana fa tsy azo atao ny midinika amin’ny mpampihorohoro, bala entina ho an’ny vondron’ny mpanelanelana tsy hihazo ny atsy Afrika atsimo. Todiho ny lasaRaha atao indray mijery ny zava-nisy teto hatramin’izay, dia toa tsy mahataitra ny maro intsony ny mandre izany. Alohan’ny dinika tany MaputoI sy II, dia nitranga ny herisetra teto. Ny resaka baomba no hita tamin’izany. Tao anatin’ny minitra vitsy, dia efa nisy tompon’andraikitra ambony, nanambara ny olona tompon’antoka tamin’izany. Nisy ny voasambotra, ary maro ny naiditra am-ponja. Mbola maro no voatazona amponja hatramin’izao. Niditra tamin’ny Prétoria I isika, ary nitranga indray ireny tranga teny Ambohijanaka ireny. Fikasana hanafika ny lapa eny Mahazoarivo no vontoatin’ny heloka. Nahatratra 19 no naiditra am-ponja. Hiditra amin’ny dinika Prétoria II isika ary iny niarahana nahita iny indray ny fifampitifiranana hitana ra mandriaka tetoMadagasikara. Iza no tsymahatsapa fa rehefa hisydinika hamahana krizy eto,dia miseho lany hatrany nykorontana toy iny tamin’nyalakamisy lasa teo iny ?Mitovy hatrany ny feo heno,dia ny tsy hiarahana midinikaamin’ny mpamono olonahatrany no heno.Tsy sarotra ny midinikaTsy misy toy ny midinika!Io ihany no lalana ahafahanamivoaka amin’izao fahapotehanamianjady amin’nyvahoaka Malagasy izao. Tsysarotra io raha tena vononahampandefitra ny hambompony rehetra. Aoka izay nyfandrangitana, ary samiamametraka ho ambony nytena tombontsoam-pirenena.Tsy azo hialana ny dinika anyPrétoria II. Io ihany no lalanaahafahana mivoaka amin’izaokorontana izao. Mety hisyhahazo vahana angamba amin’ireny korontana farany teo ireny, ka hilazana indray, fa mpamono olona ny ankolafyiray eto, saingy rahaizany hatrany no masaka andohan’nympifanandrina politika,dia ny omaly tsy miovano ho hita. Dia ho hita eo izayhandà ity fifampidinihana ity, satria samy ho tsarain’ny ataony eto isika mianakavy.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ndriana (vendredi, 28 mai 2010 13:49)

    Efa "fika" lany andro ny andrizareo ary angamba mihevitra ry zareo fa tena ny vahoaka dia olona mbola tsy mandinika lalina ka tsy hanadihady ny zava-misy tena marina . Ny tena tahotry ny olona ankehitriny anie dia ny tahotry ny basy e! nefa ny Malagasy dia olona be fandeferana fa rehefa tsy tantiny intsony dia mitroatra izy ary tsy hay tohaina intsony ny fitroatrany amin'izay fotoana izay .
    Ny zavatra tsapa ihany koa ankehitriny dia izao ingahy filohan'ny fat dia toa tsy mahaloam-peo intsony fa sady moana no malemy eo anatrehan'ireo mpivarotra tanindrazana ( ireo mpanao politika goaika antitra ary manao fahanteran'alika " mialantsiny amin'ny fomba fiteny " ka antitra vao misary gaigy, ka raha voa mihetsika ingahy io dia ampihorohorona ho vonoin-drizareo mpanogam-panjakana dia ireo tafika matim-bola .
    koa mahereza ry Malagasy fa isika manana ilay Andriamanitra Mahery izay tsy andrin'ny hafa fa andrintsika vahoaka Malagasy ihany.Homba antsika mandrakariva anie Izy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra