jeu.
27
mai
2010
Vao nivoaka ny didy manendry ny ministry ny Fahasalamana vaovao dia nihetsika sahady ireo mpitsabo. Nantsoina mantsyireo dokotera izay manohitra ny minisitra vaovao mba ho tonga tao amin’ny tranompokonolona Analakely. Akoryanefa ny hagagan’ny rehetraraha nahare fa kay zavatra hafa no niseho tany. Ny tena vontoatiny dia ny fiderana ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita izay nanendry an’andriamatoa Pascal Rajaonarison......
Efa hatry ny ela mantsy no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny miaramila indrindra nandritra ireny fotoanan’ny kolera ireny. Porofo mivaingana amin’izany ny tsy niverenan’ny kolera intsony nandritra ny folotaona. Nofidiana nandritra io fotoana io koa moa ireo biraoao anatin’ny « collectif des agents de santé » izay hiady ho an’ny zon’ny dokotera. Ka nangataka ireo rehetra mba tsy hisy hitokatokana fa avy amin’ny alalan’io collectif desagents de santé io ihany no atao ny fangatahana rehetra.Raha ny momba ny fanendrena ny minisitra vaovao dia nilaza ireo dokotera fa tsymisy olana ny fiaraha-miasa aminy. Sady efa mahazatra azy ireo ny fiaraha-miasa aminy izay hita fa nisy vokatra azo tsapain-tanana.
Tokony hijoro ianareo dokotera. Olona manana ny hajanareo ianareo ary asiana manindraindra olona halam-bahoaka.
Raha tena manaja anareo ireo dia aoka alohany aminareo ny karama sahaza y fahaizanareo sy ny fahasahiranana diavianareo @ famonjena ain'olona
dia tena fanindraindrana an'i dokotera pascal tokoa veh ny teny?? tsia hoy aho, tsy tia izany raha iny dokotera iny anontanio fotsiny anie ny marariny eny @ hopital girard et robic e!!! dia ho hainareo marina ny toetra masina ananan'iny lehilahy iny
