jeu.

27

mai

2010

Izay tsy nitondra galona ministra, nanenina

Na miala aza tsy olana, fa ny tsy teo no manenina. Zava-misy hianantsika amin’izao vanin’andron’ny tetezamita ankehitriny izao io. Herintaona sy tapany izay isikano niaina tao anaty krizy, ary niainana tao anatin’ny tetezamitatarihan’ny filohany Andry Rajoelina. Herintaonanisian’ny fiovana maro tamin’ireo olona nandrafitra nyGoverenemanta tetezamita, ary nifandimbiasana tokoany toerana nandritra izay fotoana izay.......

Raha hiainga avy any ambony isika, dia efa hita sy re tamin’ny toeran’ny Praiministra ingahy Monja Roindefo. Efa nomena andraikitra tamin’io toerana io ihany koa ramatoa Manorohanta, na dia mpisolo toerana vonjy maikafotsiny aza. Nodimbiasan’i Mangalaza Eugèune, saingy tsynahatafatsangana ministra iray akory izy, dia efa voahilikatamin’ny toerany. Voatsipaka mantsy ny sonia nifanarahan’nyrehetra mametraka azy ho amin’io seza io. Niditraan-tsehatra indray ny Praiministra Vital, ary iny niarahananahita iny ny fanoloana am-pahany vitsy tao amin’iogovernemanta nolovaina tamin’i Monja Roindefo io. Ireoministra, dia tsy ho lazaina intsony. Mandalo dia lasa izaynahazo seza, ary isika rehetra no manisa any an-kandrinaany ny isan’ny ministra nisalotra izany toerana izany, taoanatin’ity fitondra FAT ity. Isika rehetra ihany koa no makasary an-tsaina ny nataon’ny tsirairay. Tsara sa ratsy ny lovanapetrany tamin’ireo ministera notantaniny? Ny tena mampalahelo fotsiny, dia ireo ministra nanantena ny hitoetra ela tamin’ny sezany, ary nahavita namadika ny namany mpiara-mitolona mihitsy, saingy indrisy, fa voakipily sahady. Mahaiza mionona fa ny lasa tsy hiverina intsony e. Ny tsy nitondra ny galona ministra no ratsy e.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra