mer.

26

mai

2010

Dia ahoana koa ny manaraka ?

Nankalazaina tsotsotra tamin’ny fomba mahazatra ny fetin’ny fidinan’ny Fanahy Masina. Tsotra ahoana koa e? F’angaha moa tsy fety lehibe amin’ny fiitaran’ny fivavahana Kristiana izy iny? Tso-drano ho an’ireo Apostoly anie ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’izy ireo e…Ireo no dimbin’ilay “Lava volo sy be volom-bava” nihiaka ny “Mifankatiava f’azamiady”. Fa ny antsika teto Madagasikara dia hafa sy mahatalanjona e! Fifanomezan-tsiny tsy misy farany. Hatsahatra, hono, ny teny mandratra sy mandrangitra e! Marina izany satria rehefa tsy misy hevitra halahatra intsony dia voatery mampiasa totohondry sy sandry e!....

Ity Madagasikara ity dia voaroaka, noho ny fihetsika maneho haditràna teo imason’izao tontolo izao ka nihantona sy nafantsikyny olona amin’ny sazy isan-karazany. Tsy nahagaga raha tsy nasiana sira akory ny Andron’ny tany Afrikana izay tokony nomarihana amin’ity andron’ny 25 Mey ity. Raharaha ity fananava-tena isika ka inona moa no antenaina amin’izay sehatra iraisam-pirenena? Fa inona tokoa moa no mba lesona azontsikanolovaina tamin’ireo mpitondra talohabe tany? Tsy mbola nisyfanatontoloana fahiny, kanefa dia fantatr’ireo firenena lehibetany Eropa ny mpitondra antsika teto ka nisy ny fifanakalozanaara-barotra sy fifandraisana ara-diplômasia. Toa manonofy nysaina raha mihevitra fa tsy nisy afa-tsy 18 taona monja RADAMAvoalohany no tonga teo amin’ny fitantanana an’i “Madagasikara”kanefa dia nahay nifehy ny tany sy ny Fanjakàna: Nahatsanganany Foloalindahy, nahavita nanoratra ny tenin-drazana tamin’nyfomba fanoratra Latina, nahasahy niakanjo mihaja sy nanapakany volony ho fanarahany ny fandrosoana…Azo lazaina fa tsynisy afa-tsy ilay Fanahy maha-olona tena malagasy no tao anatiny,tsy nisy Pantekosta mba nankalazaina tamin’izany, tsy nisytoriteny, tsy nisy belazao nampifandrirotra. Mety hiteny ianaohoe: mbola vitsy sy dondrona ny Ambanilanitra ka mora nentina?Tsia tompoko! Andrianampoinimerina dia efa nanambatraan’Imerina ka tsy tamin’ny alalan’ny ady aman-defona nonahafahany nifehy fanjakàna fa ny FANAHY sy ny FITIAVANA.Tsy manana fahavalo afa-tsy ny mosary aho, hoy izy, tamin’izany.Fa isika ankehitriny ho’aho dia mihemotra lavitra be e! Lasa any alohan’ny fotoana nanjakan’I Rafohy sy Rangita mihitsy; Toa tsymisy fanjakana Répoblikana manaja ny zo aman-kasina ananan’nymponina ao aminy, tsy manana lalàna mifehy sy tokonyhampanjakaina sy hifanarahan’ny rehetra monina eto. Ny kabarin’Andrianataloha anie dia nampiharina sy nifaneken’ny rehetra e! Ka izay mangalatra, hono,gadraina…Izay mamono olonakosa vonoina…Menatra manoloana ny tantara isika rehetraizao, satria tsy misy fahendrena sy FANAHY.Dia ahoana izany ny manaraka? Tsy maintsy halamina amin-kery ihany ilay fanjakàna tsy manana fototra mazava sy tsy manana ny tso-dranon’ny mponin’i Madagasikara amin’ny ampahany betsaka? Dia avelao hangina daholo ny mpitory ny fahendrena sy ny fanahy maha-olona? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    lita taitran'ny baomba (mercredi, 26 mai 2010 09:46)


    fa ahoana tokoa moa no nitantanana ny fanjakana taloha e? Nisy baiko tsy maintsy natao ve? Tsy maintsy nanaraka ny didin'ny mpitondra? sa mba nisy feom-bahoaka azo nohainoana ihany? Ny tena mandreraka amin'ity ttzamita ity dia ny fanamelohana ny nataon'ny teo aloha kanefa ny tena tsy mahita hoe aiza ary no aloha. Ny teo ihany no miverina

  • #2

    DIMBY (mercredi, 26 mai 2010 14:09)

    Andry Rajoelina est impliqué dans une affaire de tuerie, kidnapping, corruption, et détournements des deniers publics. Cette affaire sera bientôt dévoilée au public.
    Cet homme qui prétend être le dirigeant de l’ile n’est autre qu’un mafieux sans scrupule, un tyran et un assassin.
    Nous demandons haut et fort sa démission immédiate et faisons aussi appel à la CPI de lancer un mandat d’arrêt international contre cet homme.
    Des dossiers contre RAJOELINA Andry Nirina pesant plus de 5kg ont été remis à la CPI. Il est inculpé entre autres d’être le cerveau du fameux génocide du 26 janvier 2009 qui à fait plus de 150 morts dans toute l’ile. En effet, le Samedi 24 janvier 2009, il s’est autoproclamé président de la transition et a fait appel à toute l’armée de ne plus recevoir des ordres du président. Les radios Antsiva et Viva proche de Mr Rajoelina ont incité ce jour là à détruire la RNM, TVM et MBS accusés d’être partiaux… Il est inculpé aussi d’être le commanditaire et complice avec Mr Ramarson Alain, Ratsiraka Rolland, Gl Dolin… de la tuerie du 07 février 2009 en fournissant des armes de calibre 9mm (l’arme de crime lors de la tuerie) a des policiers mutins proches du ministre actuel de la sécurité intérieur Mr Organes Rakotomihantarizaka (voir vidéo sur youtube)

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra