sam.

22

mai

2010

Raikitra ny adin’ny bandy sy rôla

Nofongarin’ny Sioux ny famakin’ny ady, tsy manaiky intsony ny tsy hisian’ny fanenjehana azy sy ny fanosehana azy ireo hamely sivily. Nantsoiny araka izany ny Vahoaka, miaraka amin’ny hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, hanatevin-daharana azy ireo, manoloana ny fasan’ny mahery fon’ny firenena, akaiky ny fiantsoan’ny zotra 194, eny Avaratr’Ambohitsaina. Maro dia maro ny vahoaka namaly ny antso, ary nihatrana avy hatrany ny FIGN tarihan’ny Lietnà Kolonely Raymond Randrianjafy, hiaro ireto vahoaka vonona dia vonona mitaky ny ametrahana ny ara-dalàna.

Namaly bontana ny Apaches. Avy hatrany ny sefony, ny jeneraly Zafera, dia nandaka ireo seza nomanina hanaovana fanompoam-pivavahana hangataham-pitahiana ho an’IMadagasikara, hialany amin’ny krizy politika efa nitarazokaloatra. Taitra ihany ny shériff eto amin’ny tanàna, ny kolonely Richard Ravalomanana. Nanaraka azy avy ato aoriana ny Emmo-Reg, malaza amin’ny fampandrian-tany. Nirefotra nybasy, nipoaka ny grenady mandatsa-dranomaso. Nisy mihitsy aza moa ny « lance roquettes » nentina teny an-toerana.....

Etsy ankilany, niakatra moramora avy any Ampasampito kosa ry zareo FIS miaraka amin’ny komandà Lylison. Tsy naharitra ela fa voa ny ekipa iray, naratra mafy ka tsy fantatra ny momba azy aloha. Heno ankehitriny fa dia nodimandry izy io. Ny sivily koa nahitana maratra anankiroa ary ny emmo-Reg nandratrana rao hafa. Nilastaka ny ran’ny Malagasy. Ny Samy Malagasy no mifamono, moa va tsy toy an-dry zareo Peaux Rouges mihitsy e ! Tena resaka, fa tsy vazivazy. Tsy horonan-tsarimihetsika intsony fa tena izy. Ny anaran’ny tarika sy ny endrika angambano hafa no nomena azy, saingy samy zanak’i Gasikara no mifamely. Mizara sa tsia ny Tafika ? Na izany aza, soa fa nisy ireo sivily tafalatsaka teo afovoany, raha tsy izany, nandriaka ny faty olona. Ka na Tafika na mpanao politika, tsy misy afatsy ny fifampiresahana ihany no vaha olana. Izay anefa noanton’ny hetsika nataon’ny FIGN : tsy nisy valiny ny fangatahana nataony manodidina ny fanadihadiana ilay vola tokony noraisiny, taloha ela kely. Ary mbola io ihany koa no nandotoana azy ireo. « Ampy izay ny tsy rariny » hoy ny antsoantson’izyireo. « Mitsangàna » hoy ny Hetsiky nympitondra fivavahana. Sao sanatria ka ny vahiny no hivoaka mody handamina ka izy no ho lasa tompon’ny tanàna ? Toy ny tany Zamerika e?!Sa mahatsiaro ny tamin’ny taona 1971-1975 ianao, fony nisy ny FRS ?

écrire commentaire

Commentaires: 11

  • #1

    rabozaka!!! (samedi, 22 mai 2010 07:14)

    Tena resaka Cinema iny ry zareo a.
    Rehafa natao daholo ny analyse rehetra, naverina nojerena in-jato ny sary sy ny feo, ary ireo resaka tetsy sy teroa dia hita fa CINEMA ireny entina hanampotehina ny HMF ary ny mpanohitra sns entina légitimé ny fisamborana ary ny fanampenam-bava sns, ary indrindra entina hanaovana surrenchère politique hanaovana pression any Pretoria II indrindra fa eo anatrehany Communauté internationale.
    Sahia mametraka fanontaniana isika?
    1- Entre 10h à 5h40 d’affrontements violents ve de 4 ou 5 morts et quelques blessés?
    2- Tena mahalasa saina na ny fomba entiny Emmoreg sy ny FIS manafika aza? ny fomba fipetraka ? (raha olona nanao miaramila dia mahalala izany tsara)
    3-Ny tifitra nataony tao aminy FIGN izay tsy mikendry ny olona mihitsy fa mikendry nyrindrina sns…
    (alors qu’ on a à faire à une Force d’Intervention !
    4-Ny fomba nahavoa ilay miaramila voa teo aminy lohany, raha jerena tsara ny sary dia avy aty aoriana no impact!!!!!
    5-Ny fomba nitsohany FIGN sy ingahy LC Raymond? Dia ny fomba nahazona azy?
    6-Ireo élements tsy nanaraka ny équipe ny LC Raymond? izay nipetrapotsiny sy nitazana fotsiny tao anaty camp?
    7-ny réactions de responsable au sein de la HAT qui vise directement l’implication de l’ancien Psdt.

  • #2

    lita taitran'ny baomba (samedi, 22 mai 2010 09:41)

    mba vakio hoe leitsy ra-bozaka izay fomba filazan'ireo mpanoratra ny iny olona sy ny basy tsy mipoaka amin'ny papier journal? Mba mahaliana ihany io kaozin'twa io kanefa ohatra ny tsy mampino an! eny e tsy mampino fa azo inoana e!

  • #3

    bouba (samedi, 22 mai 2010 10:53)

    tena hita fa pro ra8 ny ato .R8 no tena nampijaly ny vahoaka ; f'aza mijikina toy ny mouton .Omeo aide inter rajoelina hahitanareo azy.Reto koa (mouvance3 , mpitondra fivavahana sandoka) mitomany toerana . Ianareo reo no mamotika ny firenena , f'aza manao madio ivelany eo.Resaka transition foana dia ohatra olona tsy nahita hanina. Tohizonareo foana ,hojinjainareo io fomba ratsinareo io ao aorina ao.Hitovy amin'ny dadanareo tsy niteraka nareo iny ianareo.

  • #4

    ZAZAH (samedi, 22 mai 2010 14:28)

    Rajoelina no nampamono vahoaka tamin'ireny 07 février ireny. Ity ny teny nataony tamin'ny 07 février 2009 tamin'ny kianjan'ny 13 mai:

    « Tsy misy mihitsy, na tafondro mipoaka na basy mipoaka hasakana ny tolontsika tompoko lahy sy tompoko vavy! Ka hametraka isika tompoko lahy sy tompoko vavy androany, praiministra izay hitantana ny governemanta »

    Monja Roindefo nanontany ny olona tonga tany 13 mai:

    “Tsy azo atao ny tsy manontany ny hevitry ny vahoaka, alaintsika androany ve ny lapantsika? handeha izany isika izao haka ny lapan’Ambohitsorohitra”

    Samedi 07 fevrier 2009, Antananarivo

    Les manifestants se rendent vers le palais présidentiel
    14h15mn : avertissement des militaires : « les manifestants ne doivent pas entrer dans la zone rouge » 3 somations ont été donné (voir vidéo)
    14h45mn : coup de feu venant de l’extérieur du palais d’Ambohitsorohitra. Que s’est il passé exactement ce jour là : (Voir Vidéo « Documentaire 7 fév 2009 » sur youtube »
    NB: première constatation : détermination de l’arme du crime (plusieurs balles ont été tiré sur la scène du crime) d’après les balles recueillis et suivant l’analyse de l’impact, on peut supposer qu’il s’agit d’une arme de petit calibre (9mm) En visionnant les vidéos du drame, on se rend compte que l’arme utilisé est capable de tirer des rafales automatique de l’ordre de 500 à 700 coups par minute. Or ce jour là, d’après les photos, on remarque que toute la garde présidentielle est entièrement équipée de kalachnikov avec un calibre largement supérieur à 9mm ! Donc on peut conclure qu’aucun membre de la garde présidentielle n’a pu commettre le crime. D’où la question est qui était en possession de l’arme de calibre 9mm ? Observer bien sur la vidéo le contrôleur général de la police national Organes Rakotomihantarizaka, il s’affiche en arrière plan avec son porte veste avec une arme de calibre 9mm. Tout le monde a aussi vu, avec quelle facilité il a pris le ministère de la sécurité intérieure. Cela démontre qu’il possédait bien des contacts à l’intérieur


  • #5

    bouba (samedi, 22 mai 2010 14:56)

    mora ny miampanga mora ho azy .Iaza ary no nandraoka ny corps tsy hita hatramin'izao??
    Zaho raha filoha ;hitako fa maro an'isa ny olona hanafika ahy aleo mandositra toy izay hamono olona hiditra ao amin'ny lapako.
    Jereonareo ialy kolonely FIGN iny, mba tsy hisian'ny rà mandriaka , aleo nandositra kely.
    Fa tsy hanomé ordre , nefa hono izy tsy tao akory .Zahay any amin'ny sisin-tany tsy dia tia olona ao ampovoany fa ity Rajoelina inty ,no nanavotra anay amin'ny didi-jadona ,dia tsy hiala aminy izahay.Amin'ny resaka fitondrana no tsy itiavanay ny olona avy ao afovoany,fa tsy resaka hafa.Gasy iray isika.

  • #6

    mpandalina (samedi, 22 mai 2010 15:19)

    bouba>efa afaka izany izao ilay jadona e?
    manao solomaso inona aza ianareo izany?

  • #7

    Rabozaka!!! (samedi, 22 mai 2010 19:00)

    Jereo tsara fa noraofiny FIS sy ny Emmoreg indray ny fanamafisam-peo tao aminy Magro.
    Manomboka eto isika dia sokafy tsara ny mason-tsika fa hisy mpanao politika maro hosamborina fanahiniana hampidirina amin'iny resaka iny. De hitohy ihany koa ny fanenjehana atao aminy mpanao gazety, ny Mpitondra fivavahana ary tena loza de ity hatao izay hampisarahana ny mpino ao FJKM, satria tsy hafenina fa misy dia misy tokoa ny hevitra hanaingana ireo olona tsy mankasitraka ny HMF.

  • #8

    William celestin (dimanche, 23 mai 2010 21:54)

    Miarahaba tonga soa é!

  • #9

    william Celestin (dimanche, 23 mai 2010 22:01)

    Tena tetika maloto nokendrena hanapotehana miaraka ny hetsiky ny HPM sy ny FIGN, iny niseho teny Andrainarivo iny! Niniàna tsy nomena alàlana hanao fotoam-bavaka ny HPM, dia voatery nifanatona ho azy t@ FIGN. Jereo ny fanambaran'ny Gal Zafera an-dranomaso nanao hoé "fa naninona izahay no notafihanareo"? Ny mampalahelo dia ilay "Vazaha" Praiministra tsy "nitolona" akory, no nanome baiko hifamonoàn'ny zandary - ny zandary izay nandray anjara mavitrika t@ fanesorana an-dRa8 ! tena tsy mbola hilamina ity "raharaha" ity ry zareo !

  • #10

    randria (dimanche, 23 mai 2010 22:44)

    dia miomana isika rehetra hisikina fa raha tsy misy fôtiny fôtiny dia hampiady ny gasy . efa ho lany ange ny tahirima-panjakana ka izany no mahatonga an-dRajoelina manao asa tandrametaka sy mampiady olona io e!

  • #11

    lita taitran'ny baomba (mercredi, 26 mai 2010 09:38)

    za de mikozy am là ra bouba fa tara be enaoooo! Tsy izay rehetra mankahala ny tsy fahombiazan-drajoel akory dia voatery hanohana an-jambany izay ratra sy ditra navelan'i Ra8. Tadidio tsara fa tsy misy rekonesansa anatiny sy any ivelany azoazo fotsiny sy omena bôjo. ati-doh no miasa eo fa matoa very rajoel dia tsy ampy vovok'aina zany e. tsy maharaka ny ataon'ny bandy sy raola

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra