ven.

21

mai

2010

Nifampitifitra ny samy tafika ny farany

TsiryVoarakitra ho tantarany 20 mey 2010. Mbola anandriaka indray ny rà teny amin’ny Mausolée sy Fort Duchesne, omaly tontolo. Vao maraina dia tonga hanaofotoam-bavaka miaraka amin’ny vahoaka Malagasyny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana sy ny Ankolafytelo, izay narovan’ny ampahan’nyFIGN notarihin’i kôlônelyRaymond Andrianjafy.Tsy nankasitraka izany fotoam-bavaka teny amin’ny Mausolée izany ny Jeneraly Zafera Viennot, komandin’nyFIGN satria aminy dia toby tantany ny eny fa tsy fanaovana fotoam-bavaka. Fotoana fohy taorian’izay anefa dia tonga teny Antanimora ny fiaran’ny Emmo-Reg vitsivitsy ka voatery nanapoaka basy ireto FIGN miara-dia amin’i kôlônely Raymond nampiakatra ireto olona mba ho any an-damosiny.....

Tapatapaka nyfotoam-pivavahana, nisy nyfifamaliana tifitra ary nisy nynaratra ary nisy koa ny tavela.Isan’izany Seta Andriampetra, 61 taona, raim-pianakavina, sendra nanao raharaha teny amin’ny manodidina ary« rehefa voatifitry ny Emmoreg» raha ny filazan’ny zanany vavy, satria nilefa tany an-tranon’olona izy no mbola tratry ny tifitra. Nentina teny amin’ny hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona saingy tsytratra ny ainy satria ela vaoafaka nisy fiara nitondra azytany amin’ny hôpitaly. Nilazamoa ny Jeneraly Zafera fahifampiresaka an-tar ibyamin’ny Kôlonely Raymond satria tsy ankasitrahiny ny ràmandriaka. Ny vaovao re dia miaramila iray, zandary iray ary sivily iray no namoy ny ainy ary tsy latsaky ny dimyno naratra.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    rakoto (jeudi, 01 juillet 2010 19:56)

    Cinema daholo io fa zay maty dia maty....

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra