jeu.
20
mai
2010
Mety ho azo eritreretina ve atsy ho atsy fa maika éry, hono, ianao mpamaky ny lahatsoratra toy itony hamaky ny gazetinao, kanefa dia nanjahatra fa toerana malalaka sy fotsifotsy notazanao teo satria noraràna tsy ho azo soratana izay tokony hosoratana? Na koa sendra ny daroka sy ny vono ny mpanoratraka naka aina tsy fidiny any amin’ny hôpitaly? Mety halaheloianao mpamaky, kanefa koa mety hisy ny ho faly sy hitsinjakafa nikombom-bava ihany ry mpitatatata tsy misy farany. Aleotokoa visavisaina ny ratsy mba hiavian’ny soa. Lasa lavitra mankotato ho ato ny herisetra manjo ny mpampahalala vaovao ka diatonga indray ilay firaisankina goragora sy vonjy tavan’andro......
Vao niandoha ity volana ity dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika eto Madagasikara. Zava-tsarotra ny asa, ary tsy vitavita amin’ny fanohanana olona na hevitra fotsiny akory izy ity fa mila fandalinana sy famakafakana tsy maintsy atao. Ilaina tokoa ny firaisankina sy ny firaisan-tsaina rehefa misy ny manjo ny namana teo am-panatanterahana ny asany andavan’andro. Tsy misy mandà izany velively, ary mankasitraka manokana ireo zoky raiamandreny tena mpampihavana sy mijery ny maha-sarobidy ity asaity. Nahoana tokoa moa no jerem-potsiny ny herisetra manjo?Tsy mazava intsony tokoa ankehitriny raha fanehoan-kevitra,na fitateram-baovao, na fandalinana, na anterivava (interview),na fakàna sary, na mety ho fandefasana hira ihany koa aza, diamety hitarika fisamborana, na fanagadrana, na fikasihan-tanana…Sarotra e! tena sarotra. Fisamborana na fikarohana mpanaopolitika ve dia tsy maintsy hitarika fanimban-javatra any amin’nyfoiben-gazety? Aoka re tompoko ô! Raha nitaingina sarety naposiposy izany ilay mpanao politika tokony ho samborina dia tsy maintsy ho potehina ny sarety sy ny posiposy? ary indrindraho kasihan-tanana ny mpitarika io posy io?Tsy mifanafin-dravina sy mifampiaro amin’ny tsy antonyakory no dikan’ny firaisan-kina. Tsy misy fampandrosoana handehaamin’ny laoniny akory raha tsy eo ny mpanao gazety tenamahay mandanjalanja ny zavatra resahany. “Tandrenesa bôkaa!” Mba henoy ihany ny hiakiakan’ireo tsy manana hianteheranasy ny manao ny asany ho tena modely. Mitandro hatrany ny fiaraha-monina tsy hanjakan’ny fitiavan-kely sy ny kitoatoa. Mampalahelo raha toa ka fihatsarambelatsihy sy tsetsetra nohanehoana firaisan-tsaina. Rehefa tsy marina dia diso izay e!Ary aza manantena zaodahy mahay mandrafitra ka hitondrahazo meloka avy any an’ala. Tsy milamina akory ny tany f’ianaoho’aho aza mandeha irery! Ony RAMBELO
Aza adika vilana tokoa ny atao hoe firaisan-kina r se a. Aiza ndray ny lalan-kizorana zao?
