jeu.

20

mai

2010

Hiakatra eny Ambohitsorohitra ve ?

Tsy sitrak’Andriamanitra izao fitondrana izao! Teny fandre ataon’ireo Hetsiky ny mpitondra fivavahana io, ary hitaomany ny olona amin’ny hetsika goavana anio. Tsymaintsy miala ity fitondrana ity, ary vonona amin’ny fisedrana ny mpitandro filaminana amin’izay herisetrana fisamborana hitranga ireto HMF ireto....

Raha ny tsilian-tsofina heno, dia mety hiakatra eny Ambohitsorohitra ireto HMF ireto anio ? Hanatitra taratasy hitaky ny fialan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina no tanjony amin’izany. Tsy hitarika vahoaka hiditra ny faritramena kosa anefa izy ireo arak’io tsilian-tsofina heno io, fa solon-tena no hanatitra izany ao amin’ity lapam-panjakana ity, ary ny vahoaka mety hiandry eo an-jaridaina? Nisy ny fangatahana alalana tamin’ny tompon’andraikitry ny tanàna nataon’izy ireo, saingy tsy mbola fantatra na nahazo alalana hanao hetsika eto amin’ity tanana ity izy ireo na tsia. Raha voasakana kosa anefa ny dian’izy ireo, dia mety ho eo amin’ny kianjan’ny 13 mey ? Mbola feo niely omaly teny amin’ny fotoam-pivavahana teny Ambohimanarina Ambohimanandray Filadelfia ireo, fa anio no hahafantarana izay ho fihetsik’ireto mpitondra fivavahana ireto. Etsy ankilany, dia tsy handefitra manoloana izay mety hofihoaram-pefy ny mpitandrofilaminana. Hisy ve ny fifandonana, na fisamborana amin’ity anio ity? Ny eo anivon’ny ankolafy telo, dia nanambara fa hanohana izao hetsiky ny mpitondra fivavahana izao,ary voalaza fa tsy hitsahatra intsony ny hetsika raha tsy mirodana izao fitondrana izao. Momba ity hetsiky ny mpitondra fivavahana ity ihany, dia omaly no nanaovana fotoam-bavaka niarahana tamin’ireo mpiandry marobe, izay voalaza fa hanilihana ny ratsy eto amin’ny firenena. Teny amin’ny FJKM Ambohimanandray Ambohimanarina no nanaovana izao fotoam-bavakaizao. Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra