jeu.
20
mai
2010
Ho fankalazana ny fahadimampolotaona niverenan’ny fahaleovantenan’ny Gasikara dia hikarakara hetsika goavana any Erôpa any ny fikambanana Madagascar pour tous. Mpanakanto malagasy am-polony avy amin’ireo faritra maro manerana ny nosy no hanafana izany, toa an’i Jaojoby, Melky, Bodo, Bagzana, Fenoamby, Njakatiana sy nymaro hafa.....
Hitety tanana sy faritra maro any Frantsa izy ireo manomboka ny 12 jona ho avy izao ary ao Parisy renivohitra frantsay kosa no hankalazany fetin’ny 26 jona. Hitohy hatramin’ny tapatapaky ny volana jolay izany fankalazana taon-jobily goavana izany. Mialoha ireo anefa dia ho etsy amin’ny Dome RTA Ankorondrano ireo mpankanto marobe ireo ny alin’ny zoma ho avy izao hanomboka amin’ny 8 ora. Tanjon’ny mpikarakara moa ny hitanana sy hanehoana ary hitahirizana ny fihavanana nahafantarana antsika hatrizay fa tsy avelaho zarazarain’ny politika sy fahasamihafana ara-poko sy fihaviana ary fivavahana. Zaka Fils
tsy mila ankalazaina akory zany fahaleovantena izany!!!
mitady ny asitrika ampaosy ndray kilemendreto!tsy mievitra ny hanampiana ny vahoaka am zao mahazo zano ry kind
asitrika impito mandifotr'olona mihintsy amiko zany fahaleovantena zany
faha-50 taona nahaleotena ny firenena ve dia ho aty ampita ianareo no hampiseho ny talentanareo sa kosa ho fitadiava_bola indray hararaotina hamenona paosy !!!!!!!!!!!
mba asio fifanajana lay resaka fa tsy ianareo mi anakavyihany akory no mamaky itony vao² itony de refa tsy gasy ela de aza manao
harendrina tratran'ny fety oo!!may may! may..... zay tsy faly minana sakay!!!
