mer.

19

mai

2010

Hiroso sa hijanona amin’izao ?

Fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao ankehitriny ny mikasika izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Hatramin’izao mantsy, raha ny fahitana azy, dia nitsefotra toa vanjalenan-drano ilay fanambarana nataon’i Andry Rajoelina nilazany fa « tsy hilatsaka hofidina ho filohan’ny Repoblika », amin’ny fifidianana nandraisa ny fanapahan-kevitra samirery ho tanterahina amin’ny26 novambra 2010, aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka kasainy hataoamin’ny 12 aogositra ho avy izao sy ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny faramparan’ny volana septambra. Nitsefotra toa vanja lena iny fanambarana iny, satria tsy nahatratra ny tanjona nokendrena taminy. Mbola tsy niova tamin’ny heviny ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary mbola nanamafy fa mbola « fanapahan-kevitr’olon-tokana (Andry Rajoelina) ireo » fa tsy hiombonany amin’ny ankolafin-kery politika efatra. Mbola maniry ny hisian’ny dinika ary manohana hatrany ny fanohizana ireo adihevitra hikatsaham-bahaolana iraisan’ny ankolafy politika rehetra izay efa natomboka, volana maro lasa izay, ireo vondrona iraisam-pirenena samihafa ireo.....

Nazava rahateo ny nambaran’ny Masoivoho Alemà miasa sy monina eto Madagasikara, fa « mpikambana eo anivon’ny vondrona Eropeana i Frantsa, dia tsy afa-miala amin’ny fanapahan-kevitra raisina eo anivon’ity vondron’ny firenena mpamatsy ara-bola antsika ity ». Ka na dia nanohana sy nankasitraka ny fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina namoaka ny sori-dalany sy ny datim-pifidianana heveriny hatao aza i Frantsa, dia azy samirery izany fa tsy manakana ireo firenena lehibempiombon’antoka amin’i Madagasikara hanohy hitady vahaolana eken’ny ankolafin-kery rehetra ivoahana amin’ny krizy sy ahazoana manomana fifidianana marina sy mangarahara, ary eken’ny rehetra ao anatin’ny fitoniana. Ny fanontaniana manitikitika ary dia ny hoe : mbola hiverina hanohy ny adihevitra tsy vita tany Pretoria ihany ve i Andry Rajoelina, taorian’iny fanambarany iny sa tsia ? Raha eny no valin’izany, inona no mety fiantraikan’iny fanambarana nataony iny amin’ny fikatsaham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy politika ? Hampanano sarotra ny fifampidinihana sa hahafaingana izany ?Raha tsia kosa no valiny. Izany hoe tsy hihazo an’I Pretoria intsony izy. Dia inona no vahaolana maharesy lahatra ny antoko politika isankarazany sy ny antoka omeny ny Malagasy manontolo, hahazoany mitantana ny tetezamita sy manomana ny fifidianana ? Na dia efa manao izay handresena lahatra azy hiverina hanohy ny dinika any Pretoria aza tato ho ato ireo iraka avy any Afrika Atsimo, ankoatry ny fanambarana nataon’I Joaquim Chissano, mpanelanelana avy amin’ny Vondrona Afrikana, mangataka ny hiverenana hifampidinika, dia mbola tsy handrenesam-peo momba izany ny eny Ambohitsorohitra. Ny re aza, araka ny sahoan-dresaka mandeha dia toe hoe “tsy ho raikitra indray ny fananganana ilay governemanta tsy miandany, nolazainy fahajoro ato ho ato, fa ireo efa teo ihany no manohy mitondra mandrapahatapitry ny tetezamitany”.Dia ho hita eo ny tohiny e ! Manjavozavo tanteraka ny raharaha koa samia mahari-pery fa mbola ho lava ny kizo izorantsika.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tgvphobe (mercredi, 19 mai 2010 19:18)

    Miarahaba ny rehetra e!
    Efa ela no nahenoana an'ambatobevohoka fa e!!!e!!!, ary ny akoho tsy naneno tahaka izay efa lanin'ny kary.Iray sy sy sy tokana ny ady dia ny fanjanahantany vaovao ka antsika mila ny rehetra io ary tsy tokony hananan-kavana fa izay izany no efa nanimba antsika hatrizay. Ndeha ary hiara-hirona handrodana izao jadona sy famonoana ny maha maha-olana antsika izao e. Hetsika goavana iray monja dia vozera ireo fanetribem-pirenena ireo.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra