mar.
18
mai
2010
Tsy misy fenitra arahana ny isa na ny fomba atao momba ny firaisana ara-nofo. Miankina amin’ny mpivady tsirairay io. Soson-kevitra ihany no aroson’ny mpikaroka. Mety tsy hitovy ny isan’ny firaisana ara-nofo ataon’ny mpivady mandritra ny dimy taona sy ny folo taona nivadiany. Tahaka izay ihany koa ny faharetan’ny firaisana aranofo ataony. Misy ny mahavita betsaka haingana, ao ny maka fotoana lavalava kokoa. Samy manana ny azy Ny tena marina mikasika ity resaka ity dia miovaova be ihany ny isan’ny firaisana ara-nofo ataon’ny mpivady. Miankina amin’ny toe-batan’ny mpivady, ny rarin-tsainy, ny havizanany …ny famerana azy. Mifototra amin’ny fitiavana ihany koa izany rehetra izany, ahazoana mametraka marimaritra iraisana. Mila mifampihaino ny mpivady, ka na mahavita isan’andro aza tsy maninona rehefa izay no sitrany. Matetika dia mahakasika ny fahazotoana sy ny fahalainana hanao firaisana ara-nofono mipetraka ny olana. Misy ny tena vonona ho amin’izany isaky ny mihetsika, misy ny tsy marisika lalandava. Ilaina ilay mifampiresaka. Ny mpivady no tompon’ny firaisana ara-nofony. Ny fahaizana mampiaraka ny “qualité” sy ny “quantité” no zava-dehibe.
matsiro io e! , manaova dia eny mazoto fa rehefa tsy mihenjana tsy afaka intsony . c bon io
