mar.

18

mai

2010

Ramasy Adolphe: "Tsy mahafoana sazy ny tenin’i Andry Rajoelina"

Tsy mba irony mpanao pôlitika mpanara-drenirano fa manana ny fomba fijeriny sy ny soatoaviny ny senatera teo aloha, Adolphe Ramasy. “Amiko na hilatsaka i Andry Rajoelina na tsia dia tsy olana”. Tsy mahafoana ny sazin’ny vondrona erôpeanina velively ny fanapahan-keviny fa manova ny zorona adi-hevitra pôlitika fotsiny.....

Ny andalana iray fifanarahan’i Cotonou dia milaza fa tsy mahazo milatsaka hofidiana izay naka ny fanjakana tsy tamin’ny fomba ara-demokratika. Ny andalana iray hafa dia milaza fa ny governemanta tetezamita dia tsy maintsy marimaritra iraisana ary misy ireo ankolafin-kery samy hafa, izay tsy voahaja hatramin’izao.” Mbola notsindriany moa fa “tsy fifidianana ankamehana sy misesisesy no hamaha ny olana eto”.  Tsy tokony hoteren-ko masaka toa voalobojaza. Ilay fototra iorenan’ny repoblika fahaefatra no tsara jerena tsara amin’ny alalan’ny fihaonam-bem-pirenena, ny fahamarinana, ny fitsarana ary ny famitranam-pihavanana”. Raha tsy izany, hoy izy, dia afaka herintaona na roa taona dia hiverina indray ny krizy.Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra