mar.
18
mai
2010
Fandresena indroa sahady izay no azon’ny ekipan’ny Japan Actuel’s FC avy eny Manjakaray tao anatin’ireo lalao roa ho an’ny andro roa ho an’ny fiadiana izay ho tompondakan’Analamanga. Rehefa avy nandresy ny AJESAIA tamin’ny isa 3no1 nandritra ny andro voalohanydia nampiondrika ny AS Adema tamin’ny isa 1no0 ny ekipan-dRaux Auguste ny alahady tolakandro lasa teo tetsy amin’ny kianjaben’nyMahamasina. Baolina izay tafiditr’i Boto Fagnorena teo amin’ny minitra faha-55. Samymbola tsy nitoko ny ekipa roa tonta nandritra ny fizarampotoana voalohany ......
na dia nifamaliana aza ny fanafihana ho an’ireo ekipa roa izay samy nanavao ny mpilalao ny teny ambony kianja raha nampitahaina tamin’ny andro voalohany. Nampijoro an-dry Doulasy Sitraka ary Tholix i Raniry ary nampiakatra kianja andry Lanto, Jean ba ary Tahiry kosa i Raux Auguste. Tsymbola kivy amin’ny vokatra efa azony ny mpanazatra ny AS Adema, satria mbola misy lalao sivy ary tsy mbola afa misioka koa anefa ny Japan satria tsy misy ekipa azoh amaivanina. Teo amin’ireo lalao hafa kosa dia nomontsanin’ny Tana Fc tamin’ny isa mavesatra 4 no 1 ny IFC. Lavon’ny Cosfa tamin’ny isa 2no 1 ny Vesta Team FC. Nirava ady sahala 1 no 1 ny Lazio FC sy ny ASSM ary niondrika teo anatrehan’ny ASUT tamin’nyisa 1 no 2 ny Fivoarana FC. Zaka Fils