mar.
18
mai
2010
Nilaza ny fanambaran-dry zareo frantsay, tsy ampy adiny iray tao aorian’ny kabarin’ny filohan’ny Fat, tamin’ny alarobia teo, fa miaina anaty filaminana sy ny demokrasia tanteraka i Madagasikara, dia tonga nanohitra izany kosa ny zava-niseho tetsy amin’ny 67 hektara, tao amin’ny onjampeo Fréquence Plus. Vono, fandrahonana, poabasy ary fisamborana, mariky ny demokrasia, ho an’ny frantsay. Asa raha izany koa no dikany, amin-dry zareo ao amin’ny Fat ?Araka ny fanazavana sy ny fanadihadiana natao teny an-toerana, dia fandaharana toy ny sabotsy no nataon’ny onjampeo. Nahitana ny ankolafy efatra naneho ny heviny ny fandaharana « Tamberim-baovao » ka i Andriantenaina Pierre, na « Pierre Kely » no nandray fitenenana tamin’ny anaran’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Nosamborina ny vahin’ny fandaharana telo, fa i « Pierre Kely » kosa afamaina....
« Raha ny fahalalako azy, hoy ny fanazavany, dia nisy olona tian’ny mpitandro ny filaminana hosamboriana tao. » Iza tamin’izy telo mirahalahy izany ? « Ilay fomba tsy nety tamiko, fa tokony hanaja lalàna. » Tsy voalaza mihitsy, nandritra ny fihetsika mahery vaika nataon’ireto mpitandro ny filaminana ireto, fa tonga hisambotra olona izy ireo, saingy toa ny hanimba fitaovana sy hamono no nahatongavany. Demokrasia, filaminana, zon’olombelona… Hatraiza no azo ilazana fa misy ireo? Vao tsy ela akory izay no nankalazaina teto amintsika, toy ny firenena maneran-tany, ny Andro Iraisam-pirenena momba ny fahalalahan’ny mpanao gazety. Kanefa dia naratra mafy ihany koa ny mpanao gazety iray tao amin’ity onjampeo ity. « Aoka fa akama io » hoy ny iray tamin’ny mpanafika. Eo koa izany dia mampanontany tena ihany. Akama ahoana ? Ary rehefa akama dia hajaina ve, rehefa avy nomena takaitra ? Fanehoan-kevitra no natao tao anatin’ny onjampeo. Endrika tokony ahitana ny fahalalahana. Tsy ady lahy politika akory fa ady hevitra. Nanaitra anefa ny fihetsika niseho. Mainka izany fa raha tonga ny fotoana hanehoan kevitra amin’ny fifidianana ! Angamba ho loza no hiseho. Ho loza satria tsy voatery anaty onjampeo ihany no hahitana izany, fa an-kalamanjana indrindra indrindra. Ady saritaka indray no hiainana. Tsy hahatanty ny ankilany ka hamely ny andaniny, ho velona ny ady eo amin’ny samy Malagasy. Mbola fanehoan-kevitra manodidina loha hevitra iray no atao, dia efa vono sy fanimbana no setriny, mainka izany fa raha hevitra matanjatanjaka kokoa sy mafonja kokoa ny an’ny hafa… Asa re ! Tsy aleo ve tsy hasiana indray ny fifidianana, dia aloe samy handeha samy hitady ny rehetra ?
Aryrehefa misy fisamborana dia tsy lavitra eo foana i Pierre kely an. Sahala @ ilay tao ^ Carlton.
Mahagaga tokoa
Tsy voalaza amin'ilay article ny fahatongavan'i Alain Ramaroson sy Joseph Yolande teny!!!
