lun.

17

mai

2010

Mijere tena aloha !

Notsarain’ i Andry Rajoelina ireo mpitondra ny firenena malagasy sy ny fomba nitantanan’izy ireo ny firenena nandritra ny 50 taona niverenan’ny fahaleovan-tena, ary nanehoany ny fahitany azy, nandritra ilay fanambarana nataon’i AndryRajoelina ny alarobia hariva teo. « 50 taona niharetana sy niadiana nefa tsy nahazoana fandresena ; 50 taonan’ny haratsiam-panahy sy ny fihatsaram-belatsihy ; nyfitiavan-tena ; ny fahadisoampanantenana; ny fitantanana tsy nahomby ; ny lainga sy ny famitahana ».....

Tsy mba niseho mihitsy nandritra izay dimy ambin’ny folo volana nitondrany samirery ny tetezamita izay tokoa ireo an ? Mihevitra angamba izy fa « mijery fa tsy mahita ny malagasy ». Mihevi-tena angamba ny tovolahy fa tsy mba anisan’ireo voakasik’ireo fiampangana nataony an’ireo filoha nifandimby nitondra teto ireo. Tsy afa-bela koa anefa izy satria ny 49 taona talohan’ny nandrombahany fahefana no nanosorany fotaka ireo “nodimbiasany”, saingy tokony halentiny ao an-tsaina koa fa ny herintaona nahateo amin’ny fitondrana azy , dia tsy hihambahambana fa izy no nahafeno ireo amin’izao faha-50 taona izao. Izany hoe ireo zava-dratsy nokihaniny sy notanisainy ary nambarany ho ren-tany ren-danitra, tamin’iny kabary iny, favitan’ny teo aloha nandritrany 49 taona dia vitany haingana dia haingana tao anatin’ny 1 taona monja. Dia tena tahaka ny hoe tsy nisy na inona na inonavanona sy tsy nahavita mihitsy ireo mpitondra voafidimbahoaka ara-dalàna nitondra teo alohany. Raha henatra na fanapotehana ny firenena no nilazany ireo fahavoazana vokatry ny fitiavan-tenan’ireo nifandimby nitantana ireo, dia niampanga tena koa izyary tsy afaka manilika izany tsy fahombiazana izany ho amin’ny hafa fa tompon’andraikitra ihany koa. Dia hitsanga-menatra sa hitafy henatra izany izy rehefa hanatrika ny lanonana samihafa hankalazana ny fahadimampolo taonan’ny nahazoan’ny firenena afrikana zana-tany frantsay fahinyamin’ny 14 jolay 2010 ho avy izao eny amin’ny « champs Elysée », araka ny fanasan’ny fitondrana frantsay. Izany tokoa no tonga amin’ilay oha-pitenenana hoe « kapakapa vorombe sima, mijere tena vao manemitrany hafa ». Rakoto

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    aina (lundi, 17 mai 2010 09:37)

    Mazava anie izany e ! raha i Andry Rajoelina anie dia mihevi-tena ho tonga lafatra ary mihevitra fa ny tsy fahombiazana teto amin'ny firenena dia avy amin'ny mpitondra teo aloha daholo.Ny zavatra tiany mantsy dia aleo ihany miverina amin'ny fanjanahantany ataon'ny Frantsay,ary mazava fa dia izany no zava-misy amin'izao.

  • #2

    leo andrajoelina (lundi, 17 mai 2010 11:01)

    Marina ange ny anla ry TGV eh!, ny andry zalahy 50 taona fa ny anla 1 taona no nadravanla ny tanana!

  • #3

    Christian Rakoto (lundi, 17 mai 2010 19:31)

    Tena mahagaga mihitsy isika malagasy ity.
    Teo Ravalo ,mijaly zahay e !
    Eto zao Andry ,dia hoe aleo ny taloha ??
    Nalain' i Andry ny fitondrana ; dia tokony ho navela hitondra izy miaraka amin'ny fanampiana
    avy any ivelany dia ho hita eo .
    Sans aide international , io mbola votana io 20% budget . Asio aide moa ho jerena eo.
    Tsy afaka mitsara mihitsy isika, raha tsy 100% ny vola ilain'ny Madagascar no ampiasaina.
    Miala tsiny aho fa marina zany.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra