lun.

17

mai

2010

Fanambarana Eklesia Episkopaly Malagasy

Manoloana izao zava-misy izao, izay loza mitatao ho an’ny firenena izao, dia tsy afaka hangina sy hitazam-potsiny ny f iangonana amin’ny maha-mpaminany azy maha raiamandreny azy. Mahatsapa mantsy ny fiangonana fa raha izao no mitohy, dia mizotra mankany amin’ny fahapotehana sy faharavana ny f iainampirenena. Miha-milentika hatrany ao anatin’ ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka Malagasy. Efa latsaka ambany tokoa izany fahavoazana izany ka mihatra aman’aina ny zava-miseho. Tsy vitsy ireo latsaka anaty famoizam-po noho ny zava-misy mianjady. Miseho lany etsy sy eroa koa ny tsy fitovian-kevitra misy eo amin’ny samy mpanao politika....

Mbola variana mihevitra ny tombontsoany fotsiny ihany ny maro ary samy tehanamarin-tena, ka hadino tanteraka ny vahoaka mijaly. Efa be loatra ny voka-dratsy naterak’izany nandritra ny herintaona mahery izao (aina nafoy, fananana rava sypotika, vahoaka mijaly sy veryasa…). Amin’ny maha raiamandreny azy, dia misintona ny sain’ny tsirairay sy ny tompon’andraikitra rehetra zanany ny fiangonana, mba samy handini-tena ary koa hieritreritra tsara manoloana ny fanapahan-kevitra rehetra izay raisina. Ampy izay ny fifanomezan-tsiny sy ny fifanilihana andraikitra. Mila fitoniana ny vahoaka. Koa aoka hatsahatra ny fampihorohoroana sy fihantsiana amin’ny endriny rehetra na avy aiza na avy aiza. A m i n ’ n y m a h a -mpaminany azy, ny fiangonana koa dia manaitra ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay mba ho sahy hifanatonahiara-hikatsaka izay vahaolana ho tombontsoambahoaka sy hiadanan’ny Malagasy. Mangetaheta f ihavanana vaovao isika. Tsy hotanteraka anefa izany raha tsy eo ny fahavononana hibebaka amin’ireo fomba sy fanao tsy nety rehetranikiky ny fiainan’ny firenena hatramin’izay. Lalana tsy azo ihodivirana izany kanefa azo antoka ary mitaky finiavanasy fanetren-tena. Mino marina isika fa raha miara-mandray andraikitra ny tsirairay aminkitsim-po sy fo madio dia hofoana ny disadisa sy ny ady. Mampahery antsika zanany rehetra ny fiangonana mba hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana sy ny fahasoavanaka haneho amin’ny fifamelana hitondra antsika amin’ny fiahavanana marina.« Solontenan’ i Kristy izahay miangavy anareo hoe : meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo »(2 Korintiana 5 : 20b (DIEM)). Mgr Ranarivelo Samoela Jaona

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra