sam.
15
mai
2010
Raha tena mitady vaha-olana amin’izao kizo izao ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny dia tokony tsy hijery ny tenany. F’angaha moa ny firotsahany na tsia amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena no olana teto nandritra izay herintaona maheryizay? F’angaha moa ny fanononana datim-pifidianana no antsoina hoe feuilles de route? F’angaha moa ny fanoloran’ny masoivoho vaovao an’i Tiorkia, honina sy hiasa eto Antananarivony tatatasy fanendrena azy tamin’ny Praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny, no atao hoe fankatoavan’ ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izao tetezamita izao? ....
Sa ilay fankasitrahan’ny fitondrana Frantsay ka nilazàny fa hanampy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana? Dia ireny no atao hoe fialànanenina? Hita mibaribary ankehitriny fa ny mpitarika ny Fat ihanyno manondro ny daty rehetra ho amin’ny fifidianana kasainy hatao. Fa inona no hodinihina amin’ilay hoe dinik’asa hamolavolànany lalampanorenana vaovao? Nahoana no voavinavina sahady fa tsy maintsy hialohavan’ny fifidianana solombavambahoaka ny fifidianana filohampirenena? Fanodikodinan-dresaka sy fandrebirebena no manjaka ankehitriny, ary tsy mivonona ny tena hijery ny zava-misy sy nyolana mianjady amin’ny sarambaben’ny mponina ny mpanao politika. Governemanta ho amin’ilay Salut public no nampanantenaina tao anatin’ilay planina B, kanefa zavatra hafa tsy misyhifandraisany no nanaovana fanambaràna. Inona tokoa moa nohidiran’ny vitsika amin’ny petrole? Ny gasy tokoa tsy mety maty raha tsy misy mamosavy? Fa iza izany no mpamosavy malemy ka mandripaka ny eto an-tanàna fotsiny? Ny adala no tsy ambakaina, hono…(anjaranao ny manohyazy any an’eritreritra ihany). Ity manko basy tsy mipoaka ihany, fa tsy toy ilay teny an-dalam-be manao hoe: Tsy maintsy hipoakany sarom-bilany. Ony RAMBELO