ven.

14

mai

2010

Izaho Malagasy…

Ilay Malagasy mieritreritra, ilay malagasy hendry, ilay Malagasy mandalina fihavanana, ilay Malagasy tsy tia disadisa, ilay Malagasy tsy tia sahotokotaka, ilay Malagasy be fanajana. Tsy ilayMalagasy be fandeferana intsony, ilay Malagasy tsy maintsy miteny amin’izay. Izany indray aho izao.

Mazava amin’izay ny tena tetik’I LaFrantsa. Tsy plan B intsony ny azy fa efa any amin’ny plan D angamba. Rehefa tena dinihina mantsy ny zava-niseho hatramin’izay dia hita fa efa nanomana olona maromaro I LaFrantsa hahatongavana amin’izay tadiaviny rehefa tsy mahomby ny tetika voalohany, izany hoa ilay fametrahana ny saribokiiliny : i Andry Rajoelina. Iza indray ary izany olona hafa ao anatin’ny tetik’asan’I LaFrantsa izany ? Hitantsika amin’ny zavatra miseho foana rizareo ireny. Ireo izay mailaka dia mailaka miarahaba ny fanapahan-kevitr’I Andry Rajoelina. Ireo izay maika dia maika miteny fa tokony hanao izany koa ireo mpitondra firenena teo aloha. Amin’izay mantsy dia halalaka ny lalan’izy ireo hahatngavana eo amin’ny fitondrana ary dia ho faly I LaFrantsa fa tonga amin’ny tanjona tadiaviny. Henoy ny tenin’ireo toa an’I Pierrot Rajaonarivelo, ry Kaleta, sns… dia ho fantatsika hoe izany ireo zanaka ambadika I La Frantsa. .....

 

Farany amin’ny fomba ahoana no hasahian’I Rajoelina sy ireo olona ireo milaza fa ny nataon’ireo mpitondra teo aloha tao anatin’ny dimam-polo taona no nahatonga an’I Madagasikara amin’izao zavatra izao. Tsy menatra akory izy ireo milaza fa mitady lalana marina hanarenana ny firenena satria nopotehin’ireo mpitondra teo aloha ny firenena. Ary ny nataon’izy ireo tao anatin’ny herin-taona monja sy ny zava-bitany : Fangalarana fananan’olona, fangalarana fananam-panjakana, famonoana, fisamborana, fampihorohorona, famarotana tanindrazana an’I LaFrantsa, … Dia tena mbola mihevitra izy ireo fa vendrana tanteraka ny Malagasy ka azo hanaovana lainga sy hanaovana ronono an-tavy foana. Tena tsy mahalala menatra akory e.

Raha tena mafy be izy ireo dia ireto no tokony ataony:

-         Karakarain'ny rehetra miaraka ny fanomanana fifidianana mazava

-         Asaina milatsaka toy ny rehetra I Andry Rajoelina

-         Asiana ny "commission d’enquête international momba ny raharaha 7 febroary 2009" sy ny hafa rehetra

-         Vonona handray ny andraikiny amin’izany ny rehetra

DIA HO HITAN-TSIKA EO IZAY TENA MAIMBO.

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Rijaniaina (vendredi, 14 mai 2010 16:26)

    Mila mijoro ny Malagasy tsy ho voafitaka
    Ny Frantsay sy ny Francafrique no tena fositra, mitetika ny hanjanaka indray amin'ny fomba vaovao tena ratsy

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra