mar.
11
mai
2010
Maninona no afenina fatratra, araka izay azo atao ilay taova tena tsiriritin’ny lehilahy indrindra ao amin’ny vatan’ny vehivavy, dia ny taovam-pananahana. Tsy aseho masoandro velively izy io fa saronana atin’akanjo sy fitafiana maro sosona ety ivelany.Na ny vehivavy tompon’ny taova aza tsy afaka mahita io faritra io, raha tsymitazana azy amin’ny fitaratra. Manomboka eo amin’ny hatanorany no liana hahalala azy ny tovovavy amin’ny ankapobeny......
Fantany fa voarakotra volo izy io, mandehara rehefa fadim-bolana ary mety hitera-drano. Anaty resabehivavy hatrany no iresadresahana mikasika azy ary kendrena tsy ho ren’ny sofin’ny lehilahy izany rehetra izany. Hamenarana tsy misy tahaka izany ny an’ny vehivavy raha sendra nisy namaritra ra kely teo amin’ny fitafiany; rehefa tonga izay ny fadim-bolana. Afaka mampidera tsara ny maha-izy azy kosa ny vehivavy rehefa tojo ny olon-tiany izay ary amin’iny vao hivoaka avokoa ny tsiambaratelo ny rehetra. Momba izay fifandraisana amin’ny lehilahy izay indrindra dia tsikaritra fa fototry ny teny ratsy rehetra tsy afaka am-bavan’ny lehilahy io taovam-pananahan’ny vehivavy io. Na izany aza dia fantatra aloha hatramin’izao fa io notena faritra be mpitsiriritra indrindra raha heverina. Nytanana no tena te hikitika azy io mandritra ny hatanorana, manomboka amin’izay ny fanafosafoana isan-karazany rehefa misokatra ny lalana. Tsy mijanona eo amin’ny tanana fotsiny izany rehefa miakatra izay ny taonan’ny lehilahy. Mitohy hatramin’ny vava sy ny maso ary miafara amin’ny firaisana ara-nofo mihitsy. Samy manana ny fombafankafizany azy amin’izay ny tsirairay. Tsiambaratelo hafaihany koa izany.