mar.
11
mai
2010
Mitana ny laharana farany vonjimaika ny AJESAIA taorian’ny andro voalohany hiadiana izay ho tompondakan’ny ligin’Analamanga. Niondrika teo anatrehan’ny Japan Actuel’s FC tamin’ny isa 1 no 3 mantsy ny ekipan’Antaninkatsaka ny alahady tolakandro lasa teo tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Ity tompondakan’ny Madagasikara taona2009 ity ihany mantsy no resy tamin’ny elanelan’isa betsaka nandritra io androvoalohany io.....
Ankoatra io dia samy tamin’ny elanelan’isa tery dia tery 1 no 0 avokoa no nandresen’ny SOE ny FC Fivoarana sy nandavoan’ny IFC ny Lazio FC. Ady sahala no betsaka. Samy nirava ady sahala daholo ireo lalao telo hafa ho an’ity andro voalohany ity. Ady sahala samy tsy nitokony fihaonan’ny ASSM sy Vesta Team FC. Ady sahala 1 no 1 avy kosa ny an’ny COSFA sy ASUT sy ny fifampikatrohan’ny AS Adema sy ny Tana Formation FC. Mitana ny laharana voalohany vonjimaika izany ny Japan Actuel’s FC izay arahin’ny SOE sy ny IFC. Manaraka azy ireo ny AS Adema, Tana Formation, COSFA ary ASUT. Any amin’ny laharana fahavalo mitovy kosa ny FC Fivoarana sy ny Lazio FC ary mitana ny laharana fahafolo farany ny AJESAIA. Hitohy amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ny fifaninanana. Anisan’ny fandaharan-dalao hahoraka amin’io andro faharoa io ny fifampikatrohan’ny AS Adema sy ny Japan Actuel’s FC. Zaka Fils
-SOE 1............................................ #..............................0 FC Fivoarana-ASSM 0......................................... #................................0 VESTA-IFC 1.............................................. #................................... 0 Lazio FC-COSFA 1....................................... #.....................................1 ASUT-Japan Actuel’s 3........................ #................................................... 1 AJESAIA-AS Adema 1................................ #........................................... 1 Tana FC