mar.
11
mai
2010
Hikiry handeha irery, sa hiara-dalana amin’ny besy ny maro ingahy Andry Rajoelina ? Io no hifantohan’ny sain’ny rehetra manoloana ny fanambarana izay hataon’ny filohan’ny FAT rahampitso alarobia alina. Hikiry biby handeha irery, sahiara-dalana amin’ny be syny maro, ary hanaiky hidinika atsy Prétoria ny sabotsy ho avy izao, izay daty nifaneken’ny rehetra fa hanaovana ny fivoriana andiany faharoa ?......
Sarotra ny fandidiana, nefa mitombo ny aretin’ny vahoaka Malagasy. Miovaova hevitra andro aman’alina ingahy Andry Rajoelina. Tsy fantatra mazava intsony izay lalana hitondrany samirery ny firenena. Ny hany fantatra, dia ny firosoan’izao fitondrana izao ho any amin’ny fifidianana. Tsy misy manda izany ny ankolafy maro eto amin’ny firenena, saingy tokony apetraka aloha ny kaoferansy nasionaly, ka tsy maintsy atao ny fampihavanam-pirenena. Volavolaina ihany koa ny satahifehy ny repoblika fahaefatra, ary apetraka mazava izay fifidianana atao mialoha. Vaomiera mahaleo tena notokony hitantana ny fifidianana ary isan’ny tompon’antoka amin’ny fikarakarana ny ankolafy efatra izay misy eto. Hikopaka sa hamely fantsy ? Mitombo andro aman’alina ny fanehoan-kevitra ataon’ny vahoaka Malagasy amin’ny tsy fankasitrahana ny fitondran’olon-tokana ny firenena. Misavoritaka ny antoko politika. Ahiana ny fifandonanaeo anivon’ny samy tafika. Miala tsikelikely ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana ankehitriny. Mitoka-monina i Madagasikara, ary tsy misy mankato izao fitondrana izao ny sehatra iraisam-pirenena. Hikopaka sa hamely fantsy ny kabary hataon’ny filohan’nyfahefana avon’ny tetezamita rahampitso ? Maro no nangataka azy hiala raha ny faran’nyherinandro teo no asian-dresaka. Isan’io ny hetsiky ny mpitondra fivavahana sy ny ankolafy telo tany Toamasinasy Toliary ary Antsirabe. Ny teo anivon’ny FIGN dia efa naneho ny heviny andro vitsy lasa izay, ary ny fianakaviamben’ny tafika, dia efa nitsipaka ny hiditra ao anatin’ilay Governemanta ambara fahiarahana mitondra amin’ny miaramila sy sivily. Mitohy ny tolona Tsy maha-rototra ny fianakaviamben’ny mpanohitraintsony izay hambaran’ingahy Andry Rajoelina rahampitso. Ny antony, dia efa be ihany izay fanambarana nataony izay, saingy hivadihany afaka andro vitsy monja. Raha vaoniakatra teo amin’io toerana io ny lehilahy, dia toy ireny olona hanao zavatra ireny, saingy isika rehetra nomahita ny tranga iainan’nyvahoaka rehetra ankehitriny. Mitohy ny tolona araka ny nambaran’ireo mpitarika ny hetsiky ny ankolafy telo. Tsyhijanona ihany koa ny any amin’ny faritany raha tsy tojo amin’ny fametrahana ny fanjakana manaja ny ara-dalana. Etsy ankilany, dia maro ny feo mandeha eny anivon’ny tafika, ary isan’io ny mety hofanambarana ataona-Jeneraly maromaro. Herinandro hitondrainona ity diavintsika ity? Miankina amin’ny fanambarana ataon’ny filohan’ny tetezamita rahampitso ihany anefa ny mety hampilaminana hampikorontana ny fiainam-pirenena. Hihira sahanao tsianjery io olona iorahampitso ? Vainafo zanany
Ry vahoaka malagasy tsy volo,
Mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ny firenena nefa tsy maintsy mahita vahaolana isika ahatongavana amin'ny 4éme Republique izay nimatimatesantsika.Noho izany arry rehefa nifampidinika tamin'ireo
solon-tenan'antoko maro ny tenako ary eo ihany koa ny avy amin'ny tafika.Ny tena moa dia mihaino ary mandinika amin'ny maha tompon'andraikitra voalohany ny tenako eto amin'ny firenena dia
nanapa-kevitra ny tenako fa hifamidinika any Prétoria.Farany io ary tena farany ka raha tena tsy misy zavatra tapaka any dia izay isika vao tena afa-nenina satria ny fiainam-pirenena tsy azo
lalaovina;
Masina ny tanindrazana
