mar.

11

mai

2010

Ampindramo haditràna

Mifanontany tena ny mpiara-monina : ahoana ihany izy ity ? Toa niakatra mangingina tao indray ny vidin’ny gazoaly ? Toa anarany no mba miakatra ny vary fa tsy hita akory izay fiantraikany eny amin’ny tsena? Mba hisy mangirana ihany ve sa mbola anaty tonelina e? Raikitra indray ity ny fiakarana tenyamin’ny tribonaly noho ilay gidra teny Antaninarenina tamin’nytaon-dasa. Tsy maintsy migadra indray izany ireo tratra farany? Tsy maintsy meloka izay niandry tanàna tamin’iny andro iny ve ? Olo-marobe mitady fahafahana ve dia ataonao vono-moka fotsiny eo? Ao anaty fisavoritahana ara-politika mahamay no hanaovana fitsarana goavana toa maimaika ihany(?).....

Tsy mivonona amin’ny dinika mety hifanaovana intsony ny mpitondra ankehitriny matoa mbola mihevitra ho manana ny marina sy ny rariny hatrany. Tsy hanana fijery mandinika ny lavitra kokoa fa variana mamaha ny olana ambany maso fotsiny. Teren-ko masaka ireo lazaina fa vaha-olana. Tsy maintsy hijorony governemanta vaovao, ary tsy maintsy hiteraka fifandrohitan-kevitra hafa indray izany amin’ity herinandro vaovao ity. Manginy fotsiny ny hateraky ny fiovan-kevitra ny amin’ny hanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka, ny mety hiverenana na tsia hiara-hidinika any Afrika atsimo. Tsy miolaka intsony ireo mpitarikany hetsiky ny mpitondra fivavahana ka manentana ny hanilihana ny mpitondra tsy sitrak’Andriamanitra. Miverina mahazolaka ihany koa ny mety hijoroan’ny fitondrana isam-paritra. Mbola ho zakan’ny vahoaka ve ny hiaritra izany resaka mifamahofaho tsy misy farany izany? Ampindramo haditràna aho, hiarovako ity taniko. Izay tena tiako sady mamiko…Tsy afakahihafy sy himenomenon-dava fotsiny intsony ny ankamaroan’ny olona satria toa fampandriana adrisa fotsiny sisa ny fitoriana fihavanana sy firaisankina. Ny fanjakana loham-boto dia tsy mba ho ela velona. Ho diovintsika ireo maloto izay henatry ny olombelona. Sa ve mbola hijanona ho rediredy ihany izany? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    zandrykely (vendredi, 14 mai 2010 08:06)

    fa tena tsy misy zavatra tsara sy mba azo resahana mba mety hataon'izao fitondrana izao mihitsy ve Rambelo a

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra