lun.
10
mai
2010
Raha vakiana tsotsotra ny zava-niseho nandritra sy taorian’ny dinika tany Pretoria, dia « zava-poana » no azo ilazana azy. Inona moa no nandrandraina tamin’iny fihaonana nolazaina fa ho farany iny ? « Vaha olana iombonana. Fanajana ny teny nomena sy ny sonia napetraka », amin’ny olon-dehibe. Inona ary no nitranga ?Inona moa fa dia tsy nisy nyvaha olana! Eny e, nisy ihany aloha dingana kely vita, dia ny fifanatonan’izy efatra mirahalahy mianaka. Ie, dia nisy koa fifanarahana, toy ny hoe hifamotoana hamita ny dinika afaka 15 andro (herinandrosisa izao), hamoaka fifanarahana. Saingy izao, nanana ny“plan B”-ny ny filohan’ny Fat Rajoelina Andry, ary nolavina ankitsirano ny fiverenany anyPretoria indray.....
“ Tsy vao i zao akory Rajoelina no miova hevitra sy mivadi -dela, toy izao, ” hoy Rtoa LalatianaRavololomanana, filohan’nyantoko Manda ho an’nyFiraisam-pirenena.“ Izany tetezamita izany,hoy ihany Ravololomanana, no fanararaotra amin’ny fanamboarana ny lesoka rehetra, kanefa toa tsy hain’ity mitondra ny firenena ity izany.Tsy misy mandà fifidianana, rehefa ifanarahana ny fanatontosana azy. Amin’izao fotoana izao, misavorovoro tanterakany fandehan-draharaha,noho ny finiavany hitondrairery an’I Madagasikara. ”Misara-bazana hatramin’ny Foloalindahy Malagasy. “Ny fibodoany ny tetezamita no mahatonga izany. Tsy vaha olana ny fijanonany eo amin’ny fitondrana. ”Mila fitoniana ankehitriny ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Herintaona mahery no naha teo an’i Andry Rajoelina kanefa tsy hita ihany izay mangirana. “Raha tena tia tanindrazana ianao, Rajoelina, tokony hiaiky am-panetren-tena ny zavatra simba rehetra teto an-tanindrazana nandritrany naha teo anao. Tsy famadihan-tanindrazana akoryny fialànao. Tsy ianao irery koa no nitondra ny tolona, kanefa nanaiky niala i Monja Roindefo noho ny fahalalany fa ny fialàny no hanova ny toe-draharaha. Kanjo… ”Ny “ plan B ”-n’i AndryRajoelina ve ? Miandraikitra ny filaminana sy ny fandriampahalemana no anjara asan’ny Foloalindahy (miaramila syzandary). “ Izany moa dia hahafahan’ny mpanao politika mandrafitra milamina ny tokony hanohizana ny dinikasy ny hahatongavana amin’ny Repoblika Fahefatra. ” Ka naho any Pretoria na ho eto an-tanindrazana, tsy izany no zava-dehibe. “ Tsara kokoa ny fanekeny fa miteraka olana ho an’i Madagasikara ny mbola fijanonany eo amin’ny fitondrana. Efa nisy toe-tsaina napetraka tany Maputo sy Addis-Abeba : ifanarahana sy iarahana. Aza manodinkodindresaka intsony ny mpitondra fa miala rehefa tsy maha vita azy. ”