lun.
10
mai
2010
Efa vonona ny kitay sy ireo bozaka rehetra hodorana fa ny pitik’afo sisa andrasana. An-taonany no efa nanangona kitay ny ankolafy Ravalomanana mba handoroana ny tranoben’ny FAT. Nahafeno kamiao sy trano izany,saingy tsy mbola nirehitra hatramin’izao. Nisy ihany ireo niezaka nandrehitra izany, kanefa tsy nampidonaka akory. Indraindray aza mba mifanojo ihany ny kitay sy ny afo, fa raha vao tonga ny mpanondraka rano dia maty izany. Soa fa tsy mbola levona, fa hay ampombo ireto kitay nangonina ka tsy nety maty fa misoko mangina eo antokontanibe ihany, dia ireo vahoaka izay efa sasatra sy hana ary jembin’ny krizy sy ny olana maro samihafa. Mizaka ny tsy eran’ny aina ihany fa tsy mahavita miteny sy maharehitratena.....
Nisinisy ihany ireo nanapa-kevitra ny handaony tokontany filalaovana ka nandroso tao an-trano rehefatratry ny pi-maso avy teo am-baravarankely. Tonga nilanjany anjara kitainy ihany koa ireo ankoalfy roa hafa dia nyankolafy Ratsiraka sy ankolafy Zafy.Faly ny mpianakavy fa izay angamba vao tena hirehitraamin’izay ilay tranon’ny «fahavalo». Indrisy anefa fatsy izay no nitranga. Toa vao mainka aza nitsilopilopy ilay afon’ampombo nototofana kitay. Samy niezaka nitsoka nympianakavy sy ny mpifanolo-bodi-rindrina, kanefa samy niala maina avokoa. Hany hery niezaka nitady solika faireny, hono, mora mirehitra. Tsy nisy ny solika. Raha mba misy dia nisondro-bidy, satria krizy ny fiainana. Na izany aza dia tsy vitsy no nanoina ny antso. Tonga nidodododo avokoa ireo rehetra nanana ilay kitay menaka hoe :« olana ». Niaka-tsehatra ny mpampianatra mpikaroka,ny mpitsabo, ireo paramedicaux, mpianatry ny oniversité sy ireo maro tsy voatanisa. Nidedaka vetivety monja ilay kitay menaka fa rehefa lany ny heriny dia maty ilay izy. Tsynahavita nampidedaka an’ity tranobe, fialokalofan’ireo tsy mahalala afa-tsy ny any an-kibony sy ireo tsy mitsinjovahoaka. Taty aoriana, tonga ihany koa ireo foloalindahy be baoty sy be basy, izay nihevitra fa poa-basy tokana dia ampy handrehetana an’ilay afon’ampombo nototofana kitay niampy sisana kitay menaka. Nitranga-nihemotra anefa ireto farany, satria nahatsapa fa mety hirehitra hatramin’ny tanana iray manontolo raha izy ireo no mamelona an’izany. Dia nihenahena velona teo ilay hodorana. Ny ao anatin’ny tranobe anefa toa efa tsy mahahetsika, satria efa voahodidina sy voatemitra hatramin’ny hirika faran’izay kely sy bitika. Miandry izay higadonany sisa. Iza no hahavita handrehitra an’ity afon’ampobo nototofana kitay ?
Rolland Ratsiraka dia tokony ho saziana mafy
Noho ny zava-ratsy vitan’io rangahy io eto Antananarivo tamin’ny 26 janvier 2009 izay nampirisian’ireo fokonolona kely saina niara-dia tamin’ingahy Rajoelina tamin’ny fandoroana ny TVM sy RNM ary
ireo fananan’ny olon-tsotra ary nahafatesana olona aman-jatony (genocide et crime contre l’humanité) dia tokony ho saziana mafy dia mafy mandrapahafatiny io Rolland Ratsiraka io
Io Rangahy io koa dia mampirisika ny famonoana ny samy Malagasy (guerre civile), hita soritra izany amin’ny fomba fiteniny izay feno fankahalana.
Ry vahoaka Malagasy maro anisa izay mahay mamakafaka aoka isika mba tsy hampirebirebin’ireo olona vitsy izay mampiasa ny fahaizany miteny entina hanodikodinana ny fisainan-tsika
Misaotra tompoko!
