lun.
10
mai
2010
Lehilahy tsy mahavelona. Mety hitranga eo amin’ny fiainana izany. Ny antsasa-manilan’ny lehilahy Frantsay dia samy efa niaina izany avokoa, izay misy ifandraisany amin’ny toe-pahasalamany, araka ny fahitan’ny mpandinika azy. Tohin’ny fanadihadiana Ifop dia fantatra fa tamina fandinihana natao tamina lehilahy 954 dia ny 49% no efa narary niharan’izay tsy mahavelona izay, 6% tamin’ireo notratr’izany indraindray, 15% no matetika ary ny 28% no mahalana.....
Voalaza ihany koa fa arakaraka ny androsoan’ny taona no mampitranga azy. Ny 38% amin’ireo lehilahy tsy mahavelona dia latsaka ny 50 taona avokoa, manodidina ny77% kosa ny mihoatra ny 65 taona. Ny antsasa-manilan’ny lehilahy voaray ao anatin’ity sokajin-taona ity aza dia iharan’izany matetika, raha 10% monja ny latsaka ny 50 taona. Samy manana ny fomba andraisany izay fotoana tsy mahavelona izay avokoany lehilahy tsirairay, rehefa nanontaniana ny heviny. Ilaina eo amin’ny fananana fahatokisan-tena izany hoan’ny 93%-n’ny lehilahy, ilaina hampirindra ny fiainan-tokantrano izany hoy ny 92%-n’ny lehilahy ary famantarana ny olona salama ihany kosa izany ho an’ny 87%. Lasa aretin-tsaina ho an’ny lehilahy ny tsy mahavelona araka ny hevitry ny mpitsabo. Manjary manana olana izy rehefa iharany. Araka ny fandinihana sasany hafa indray dia hita famateza sy ela velona kokoa ny lehilahy manana fiainana ara-pananahana ao anatin’ny taona maha-zokiolona azy. Mety ho fambaran’aretina hafa hahazo ny vatana ny tsy mahavelona. Mety io ho fiakaran’ny tosi-dra, na diabeta… Efa betsaka kosa ny fomba azo itsaboana izany amin’izao fotoana izao, ka tsy tokony hisy hatahorana.
ra tsy mahavelona ny lehilahy iray de inona no atao ho mahavelona azy aingana indrindra eo fanaovana firaisana
