lun.
10
mai
2010
Tapitra ny ala-nenina. Teny fandre avy amin’ingahy Andry Rajoelina io, rehefa hanifika ny ankolafy telo izy. Nitetika hamoaka ilay ambaraho “Plan B”, izy izay lalana iray hametrahana ilay governemanta “militaro civil”, izaysaika hajoro tao anatin’nyfotoana fohy tamin’ity herinandroity. Tsy araka ny kinasa anefa no niseho fa nitsipakaam-bava fo azy ireo noheveriny fa andry hiankinana, katany amin’ny mpanao politika indray sisa hany fanantenany mba hakana hevitra amin’ny lalan-kivoahana amin’izao krizy izao......
Tapitra tokoa ny lalankivoahana amin’ny krizy. Tsy maintsy ny ala-nenina amin’ny dinika hiarahana amin’ny ankolafy telo novaha-olana. Ny vondron’nympanelanelana, dia mitaky ny hanohizana ny dinika atsy Prétoria ny faha-15 Mey izao. Na dia nanda ny hiverina any aza ingahy Andry Rajoelina, dia mety handady hanohy io dinika io izy, satria tsy mahitalalan-kivoahana amin’izao krizy izao intsony. Ny tafika nantenaina ity, nanda ny hiditra ao anatin’ilay Governemanta. Ireo mpanao politika efa niaraka tamin’ny tena hatramin’izay toa an-dry Pasitera Andriamanjato, Lahiniriko Jean, Pierrot Rajaonarivelo, Ratsirahonana Norbert, PetyRakotoniana sy ry Voninahitsyno hany mba namaly ny antso. Ry Vivato sy “Jaona kely”, ary Ando Parson ve ho azo antoka fa tena mahasolo tenany mpanao politika mpombany ara-dalana? Raha ireo noasian-dresaka, dia olona efa tsy nisy nahavaha olana no miara-mikaon-doha amin’nyfilohan’ny FAT.Manakaiky ny datin’ilaydinika andiany faharoa atsy Prétoria. Mbola hiziriziry amin’ny heviny handa ny tsyho any ve ingahy Andry Rajoelina, sa hitazona ny teny nomeny teo anivon’ny vondron’nympanelanelana iraisam-pirenena tany Afrika atsimo? Herintaona mahery izay no nitondrany ity fitondranaity, impiry niova hevitra moa i Andry Rajoelina nandritra izay fotoana izay? Mino isikafa hivadika tamin’izay nambarany tamin’ny fahatongavanyteto an-tanindrazana farany teo izy, satria tsy kilalaon-jazailay dinika sy teny nifanaovanatany Prétoria farany teo. Vainafo zanany
ka i DADA koa anie tam2002 toi io e impiry nanova gvt presque isaky ny deux mois tsy mora zala ny mitondara an
aleo izy mba hanao fa jeune e taoko ohatra ny tsis crise zao aiza ny tamin'ny 2002 30000fmg ny gasoil
