lun.
10
mai
2010
Tsy araka ny nanampoizana azy ny zava-nitranga teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny alakamisy lasa teo. Rehefa nahita rirany kely teny anivon’ny filakevi-panjakana mantsy ny komity hamerinany hasin’ny baolina kitra(K2HB) ka nitakian’ny filakevipanjakanany valin-teny avy any amin’ny komity mpitantanany federasiona Malagasy taranja baolina kitra mikasika ireo fanontaniana napetraky ny K2HB dia nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana ireto farany.....
Nampanantsoina hiatrika mpitsara mpanao famotorana izy ireo sy ny filohan’ny FMF, saingy tsy tonga ity farany fa ny mpisolo vava azy nonanohina ny antso. Tsy arakany nanampoizana azy ihany koa anefa ny zava-niseho fa tonga dia fitsarana no natao, raha ny fiandrasana ny fepotoana 45 andro napetraky ny filakevi-panjakana no nandrasana. Nanambara avy hatrany ny fitsarana fa tsy mahefa mitsara izany fa tokonyho ny CENI no hanafoanany valim-pifidianana. “Tsy hijanona hatreo akory ny hetsika fa hitohy izany ary vao mainka aza hihamafy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny K2HB, Ramasy. Hisy ihany koa ny fitetezana faritra maro manerana ny Nosy izay hiarahana amin’ireo mpanakanto dia ny “SOS kitra an-kira” izany. Na izany aza dia tsy raikitra ilay sit-in fanao isaky ny zoma, satria tsy nahazo alalana izy ireo omaly. Zaka Fils