lun.
10
mai
2010
Na dia efa tara roa taona aza, noho ny toe-java-nisy teto amin’ny firenena niaraha nahita dia nahavita nanavao ny komity mpitantany ihany ny klioban’ny AS Adema. Ny filoha, Randriamialisoa Yves, izay DAF eo anivon’ny AS Adema sy ny filohalefit ra, Ramanamanjato Dodet ary ny mpi tambola, Ramdriamanantena Soloniaina ihany no mbola tafaverina eo amin’ny toerany avy tamin’ireo mpitantana teo aloha.
Niova daholo ny ankoatra ireo. Mitovy ny tanjona ho an’ireo mpitantana rehetra an’ity kloiba ity dia ny pao-droa eto an-toerana, ny amboara sy ny tompondaka, ary ny hahavitana dingana avoavo kokoa eny anivon’ny fifaninanana afrikanina. Hofanatrarana io tanjona io dia efa niaraha-nahalala fa novaina ny mpanazatra ary nesorina tamin’ny toerany ihany koa ny mpanomana ara-moraly teo aloha, Rakotomalala Célin ka nosoloina an-dRasoloson Mamy Antenaina.
Toy izao ny firafitry ny komity mpitantana
Filoha : Randriamialosoa Yves Marius
Filoha lefitra : Ramanamanjato Dodet
Sekretera Jeneraly : Andriamparany Rivomanantsoa
Mpitambola : Randriamanantena Soloniaina
Kaomisiona marketing sy fifandraisana : Andriamasinoro Jacquot
Tompon’andraikitry ny fitaovana : Ravalitera Serge Peterson
Suivi et Evaluation : Randrianarisoa Henri
Mpanomana ara-moraly : Rasoloson Mamy Antenaina
Mpanazatra : Andrianjoelison Nirina (Raniry)
Zaka Fils