sam.
08
mai
2010
An-taonany maro no efa nahalalantsika ilay ohabolandrazana hoe : « mitaintaina toy ny sahobakaka ambodiriana », kanefa ankehitriny vao tena fantatry ny Malagasy ny tena heviny. Ny riana dia ampahana rano avy amin’ny renirano izay manaraka ny vato lehibe iray. Mamoaka feo miraondraona mampatahotra izy io, ka izay no mahatonga ny sahobakaka, izay karazana sahona lehibe tsy ho tamana eo mihitsy, satria mitaintaina hatrany sao dia hitera-doza ho azy izany.Toy izany ny fiainan-tsika Malagasy ankehitriny. Makany toeran’ny sahobakaka ny vahoaka amin’izany ary ireo zavatra miraondraona sy mampatahotra maro samihafa eo amin’ny fiainana kosa no zary lasa riana mampitaintaina fatratra ......
Miraondraona ny feon’ny mpanao politika izay tsy mitsinjo akory ny vahoaka ary tsy mihevitra ny hikatsaka ny soa sy vahaolana. Miteraka feo mampatahotra izy ireo noho ny fivadibadihan-dela isan’andro lava izao sy ny fifanandrinana mahery vaika. Matahotra ny vahoana tsy mandady harona noho izany sao dia hitera-doza ho azy ireo izany. Very sy fanina tanteraka hatramin’ireo mpanara-baovao sy mpikirakira politika. Mainka moa fa izay vahoaka mitrongy vao homana. Miraondraona toy izany koa ireo karazana feona foloalindahy, ahitana miaramila sy polisy ary zandary avy any an-dakazerina sy avy eny ananonanona rehetra eny. Mainkamoa fa raha miaraka amina galona sy fitaovam-piadiana maro samihafa izy ireny dia tora-kovitra. Raiki-tahotra ny daholobe, satria azy ireo ny fahefana sy ny hery. Tsy maintsy mamitsaka raha mbola te ho velon’aina. Moa va tsy toy ireny sahobakaka ambodiriana voatery mamitsaka sao zakan’nyhery sy ny fahefan’ny rano. Fa ny tena miraondraona mafy mila hamaky ampongan-tsofina ankehitriny dia ny tsy fandriam-pahalemana. Harom-paosy, fanendahana, vakytrano, fandratrana sy famonoana, fanakanan-dalana, dahalosy ny maro tsy voatanisa. Ireo rehetra ireo no mamoaka feo andro aman’alina toy ny riana, ka mila hamaky ampongantsofina, mba tsy hilazako hoe hihatra aman’aina mihitsy aza. Saika adinoko ny firaondraonan’ny rotorotom-piainana, dia ilay fiainan’ireo vahoaka madinika mitady izay harapakaisan’andro. Raha hoy ny fomba fiteny taloha hoe : « ny hohanina anio tadiavina anio » dia efa voahitsin’ny fiainana izany ka zary hoe : « ny hohanina anio tadiavina rahampitso sy rahafakampitso ». Very asa, very fidiram-bola ary izay mbaloharanom-bola, toy ny fivarotana amoron-dalana aza misy manozongozona. Ny vady aman-janaka anefa tsy maintsy« mikaka », koa noho izany dia tafakatra hatramin’ny 300 % ny hafainganam-pandehan’ny rotorotom-piainana, izay miteraka feo miraondraona ao an’eritreritra ka zary mampatahotra. Famakafana tsotra ireo kanefa mahalasa eritreritra. Adinon’ny rehetra hatrizay anefa fa ilay sahobakaka mitaintaina fatratra eo ambodiriana ange ka mba manampeoihany, saingy tsy mba maneno izy ireo raha tsy efa tongany « maneno sahona ».