ven.

07

mai

2010

Tsara ny fananana hambom-po

Raha misy tadiavina indrindra, raha vao mitera-bao, diany hananan’ilay menaky ny aina hambom-po. Sady tsy azovonoina lolo, hoy ny filazan’ny tanora azy, no tsy azo rebirebenaamin-javatra mandalo. Manana hazon-damosina e !Soa fa manana izany ny filoha mitondra ny tetezamita ankehitriny. Sarotra ny fandidiana nandritra izany fitondranaizany. Ny antony ? Satria miala amin’ilay fitondrananaloa ary manao izay hidirana amin’ny fitondrana izay nilokalokana teny am-pitarihana ny hetsika nandravanany efa nipetraka.....

Sarotra tokoa an ! Aiza tokoa moa kafitondrana efa teo nandritra ny fito taona no ravana ao anatin’ny indray mipi-maso. Fitondrana nametraka rafitra niainga tany amin’ny fokonolona ary mipaka manerana nyNosy no ho fongorana tsy misy hataka andro akory. Natomboka tamin’ny fandravana ny antenimierampirenenasy ny antenimieran-doholona izany. Tsy resahana kosa angamba ny fandravana fananana tsara tombina.Notohizana tamin’ny fandravana ny asan’olona amanhetsiny, zary mirenireny amin’izao fotoana izao, na ihany koa mandrebireby eny anivon’ny tsena izay mbola itadiavanavaha olana hatramin’izao. Soa aloha fa efa mihetsikany eo anivon’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, ka miantso izay mety ho tafiditra ao anatin’ilay tranobe aoamin’ny Petite Vitesse e !Raha tohizana ny tantara, dia ezaka goavana tsy misytoy izany no iainana isan’andro, vitan’ity fitondrana tetezamitaity, noho ny fananan’ilay mpitondra hambom-po. Toyny firimorimon’ny fiara tsy mataho-dalana marobe tsy hitaisa, miaraka amin’ny laharana tsy mbola voavadika amin’nymaha malagasy azy, dia ireo fiara WWT ombana miaramilamitam-basy mampangina ireo mitady hamoaka feo tsymifanaraka amin’ny ilain’ny fitondrana. Toy izany koa ny rahoraho azon’ireo te hitsikera ny fitantanana ny tetezamita.Tsy mahagaga noho izany raha ohatra ka tsy mety hotomombana ireo dinika isan-karazany efa nokarakaraina,ary efa nandraisan’ny filohan’ny tetezamita anjara feno sytanteraka. Efa manana ny heviny izy. Tsy hiova izy. Eny fana dia nivena ihany aza izy, indraindray, dia hainy hatrany ny mamerina ny familiana. Vitany hatramin’ny fitadiavana fanampiana avy any ivelany hanatontosany ny zavatratiany hatao. Aza mitady intsony ny antony. Hambom-poio. Diso toerana ve ? An’ny rehetra ny mamaly azy.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    CMT (vendredi, 07 mai 2010 08:14)

    Faly ery mandravarava
    Miteniteny sy mitabataba
    Kanefa tsy mahavita na iray
    Asa inona no dikan'izay

    Midongy ny hitondra ny firenena
    Nefa tsy mahay mikarakara tena
    Tsy fiainan'elà aloha no amboarina
    Zao ny firenena lasa mivarina

    Mampalahelo raha izao no mahazo
    Ny firenena rehetra no voan'ny tazo
    Mitsotsongana malazolazo
    Hany ny atao dia ny mivazovazo

    Mitady vaha olana atsy sy eroa
    Nefa midongy mitaingy AirForceTwo
    Satria tsy mba mitaingina fiaraminidina
    Zao ny firenena manjary mitsingidina

    Milazà enao raha mba nahavita
    Miezaka hatrany nefa tsy mba tafita
    Ny Hotel de Ville no atsangana aingana
    Mba ampisehoana ny vahoaka hoe, efa misy zavatra mivaingana

    Ny fiainam-bahoaka izao lasa voaelingelina
    Noho iza ? raha tsy avy aminao ry Andry Rajoelina
    Mitsombadika ambony ambany
    Mampalahelo ny fiafarany

    Tononkalo atolotra hoan'i president HAT

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra