ven.
07
mai
2010
Tsy hiditra ao anatin'ny governemanta vaovao ny Foloalindahy."Raha misy te hiditra amin'izany dia amin'ny anaran'ny tenany manokana sy amin'ny maha olom-pirenena azy" hoy ny Jeneraly Ndriarijaona André omaly.Tsy hanolotra olona ny Foloalindahy, araka izany rava hatreo indray ny Plan B-itika nokasain'i Rajoelina hatao.
Tsy nahomby izany iny tetika iny fa dia hitady planina D...Z indray ny Fat. Raha iverenana ny tantara, nangataka ny "sori-dalana" hivoahan'i Madagasikara ao anatin'ny krizy ny Foloalindahy, ary nametraka fe-potoana mihitsy tamin'izay, kinanjo nisy iny fifampidinihana tany Pretoria iny dia somary very fotoana teo.Tao anatin'izany no nilazany fa hanova ny governemanta ny Fat ka hiarahany amin'ny miaramila izany.
Sahiran-tsaina tokoa i Andry Rajoelina, ny miaramila nantenaina hanirina indray ity no vao mainka nampivandravandra. Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe, ny ankolafy Madagasikara efa mandrangaranga sahady fa ny tsara ho azy dia ny mametra-pialana haingana, toy izany ihany koa Rtoa Lalatiana Ravololomanana. Ireo mpomba ny Fat moa mangina tsy handrenesam-peo, akaiky tokoa ny farany e!