jeu.
06
mai
2010
Planina, tetik’ady, vinan-kevitra, sori-dalana, sata... Misyisan-karazany mihitsy ny karatra efa naseho sy noeritreretinahamahana ny kizon-dramalagasy, fa tsy nisy na iray aza mbanahomby sy nifanarahan’ny rehetra eto an-toerana. Izany sehatrairaisam-pirenena izany moa dia any an-kibon’ny omby, tsymisy mpankato, tsy misy mpiantra, tsy misy mba mitsetra akoryfa dia ataon’ny olona fihomehezana fotsiny. Dia havoaka indrayizao ny joker farany, ary tena tsy misy afa-tsy io sisa no azohitampikirana : « gouvernement du salut public ». Dia hanao ahoana ny tohiny? ........
Nokenokenonina tany an-dapa tany indray ny hanomezanatoerana mahabe voninahitra ny tafika malagasy mba hitantanany governemanta vaoavao. Nivory, nikaon-doha, lany ihany nyora sy ny fotoana fa tsy hita izay lalan-kivoahana. Vao mainkakoa nitresaka sy nitriatra tanteraka ny foloalindahy malagasy.Fanambaràna etsy sy eroa no nameno ny lakazera sy ny tobyisan-karazany. Tsy voafaritra mazava tsara intsony ny tena olanatokony ho vahana. Mampalahelo fa ny fototry ny olana tetodia fitakiana fiovàna sy fahafahana ary demokrasia. Ny zavatranotakiana ve no mbola tsy zakantsika malagasy sa mikoropakasy maika loatra isika ka niseho tamin’ny fotoana tokonytsy mbola nisehoany ny fitakiana? Voazarazara tanteraka ny fiaraha-monina. Ahoana no fomba hampiraisana indray ny fahavakisana?Tena afa-nenina tokoa ve ny mpitantana ny firenenaankehitriny? Leom-boanana ka tsy tia zava-boribory intsony?Ampiasaina avy hatrany amin’izay ve ilay karatra joker farany?Vita izany ny fihavanana fa ny lalàn’ny mahery setra no hajoroeto? Aiza ny fahatsapan-tena ho tsy maharaka sy tsy mahafehyny zava-misy ? Dia hiandry inona indray? Hiandry gidragidravaovao ? Dia mbola hahazaka izany indray ve ny fiaraha-moninamalagasy ?Salut public? Vao hiainga dia olana vaovao no hosedrainy,dia iza indray no hanao salut an’iza? Miseho indray izao ilayvata-tay mibaiko jeneraly, ny mpianatra mamingavinga mpampianatra,ny mpivarotra amoron-dalana tsy matahotra pds, nyzanaka miampanga ny ray aman-dreny ho mpandainga, nyminisitra tsy mahafehy ny olom-peheziny, sos e! Vonjeo e! Omeosaosy fa reraka e! Vaky tanteraka ny sambo ka velona ny hiran’nydimbaka avy any nazareta: “ry jesoa mba tantano!” Mikiakiaka nybebaoty ka miala amin’ny fahanginany, mifanao tsindrom-paingotrany mpampahalala vaovao, hiadivana tanteraka ny giletde sauvetage. Tsy misy ankizy sy vehivavy izany intsony fa nysandry sy ny loha no miketrika…tadidio fa tsy rehefa matanjakadia manana ny fahamarinana rahavako!Ony rambeloOnyrambelo@yahoo.Fr