jeu.

06

mai

2010

Ry Tafika Malagasy: Lalana tsy azo ihodivirana ny fiverenana any pretoria

Nisy ireo nanome tsiny sy nilaza fa diso ny Ankolafytelo : Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana, raha tsy nitsahatra nangataka nyfametrahana ireo andrim-panjakana nifanarahana tany Maputo sy Addis-Abeba. Tsymiova izany hevitra izany ankehitriny fa mbola mitohy satria io ihany no vahaolana hamoahana ny firenena ao anatin'izao krizy izao. Ankehitriny anefa, hita fa tsy mitsahatra famisavorovoro avokoa ny tontolo iainan'ny vahoaka Malagasy. Mahantra ny vahoaka,mahantra ara-toekarena, mahantra ara-tsosialy ary mahantra ao amin'ny fonysatria very ny zony. Ny mpitondra tsy ara-dalàna sy tsy eken'ny fianakaviambeiraisam-pirenena dia tsy mahita intsony afa tsy ny tenany. Ny lainga sy nyfitaka anefa mbola habaribary isan'andro. .....

Saingy lefy izany na eny amin’ny vahoaka na eny amin’ny foloalindahy na eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny. Latsaka an-katerena tanteraka ny Firenena noho ny fizirizirian’ny HAT ary izany rehetra izany dia manaporofo fa manana ny rariny isika raha nitana ny hevitra hatrany ampiandohana amin’ny famerenana ny ara-dalàna.  

Eo amin'izany famerenana ny ara-dalàna izany, dia manana ny toerana lehibe tandrify azy ny Tafika Malagasy. Ny Tafika mantsy dia rindrina mafonja hianteheran'ny vahoaka (refuge du peuple). Voninahitra sy fifaliana ho an'ny vahoaka Malagasy ny fananany ny Foloalindahy misaina. Tsapantsika izany rehefa an'aliny maro no tonga mijery ny matso eny Mahamasina sy manerana ny nosy isaky ny 26 Jona. Dera, tehaka ary hoby no azon'ny Tafika hatramin'izay.

Dimam-polo taona ny Tafika Malagasy. Manoloana ny zava-misy eo amin'ny Firenena amin'izao ora iresahantsika izao dia tonga ny fotoana hiverenan'ny Tafika any amin'ny vahoaka. Rindrina mafonja ny Foloalindahy ka tokony hiasa sy tsy hijery afa-tsy ny vahoaka ary hanadino tanteraka ny hadisoana mety vitany.  

Ny vahoaka irery ihany no afaka hamela ny tsy nety nataon'ny Tafika. Ny fijeren'ny tafika indray ny vahoaka Malagasy no hany hamerina ao amin'ny vahoaka ireo dera sy tehaka ary hoby fanaony hatrizay. Ny firaisan-kina, ny fifanajana, ny fifampiresahina ao anatin'ny foto-pisainana madio sy mangarahara no hany vaha olana mitondra ny firenentsika any amin’ny fahafahana ary ny famerenana ny andrim-panjakana eken'izao tontolo izao. Koa tonga ny fotoana ry foloalindahy, rahalahy sy anadahy, hanerenareo io fitondrana tsy ara-dalàna HAT io hiverina hiresaka any Pretoria ary hanaiky ny soratra sy ny fifanarahana efa nosoniavina tany Maputo sy Addis-Abeba.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra