mar.
04
mai
2010
Nanao fanambarana indroa miantoana ireo zandary tao amin'ny Toby Forduchène. Miantso ireo manamboninahitra rehetra hody an-dakazerina.Mafam-pana ny toe-draharaha eo anivon'ny foloalin-dahy Malagasy, ny iray manaiky hiditra ao anatin'ny governemanta vaovao, ny maro an'isa kosa mitsipaka izany. Mivaky tanteraka ny Tafika Malagasy araka ny fahitana azy izao. Inty ny fanambarana voarainay ampitaina aminao mpamaky :
FANAMBARANA
Mahatsiaro ho tompon’andraikitra tanteraka ny manamboninahitra lefitra, amin’ny maha olom-pirenena andaniny, ary amin’ny maha Tandroka aron’ny vozona azy ankilany ;
- Adidin’ny rehetra ny mampahomby ny vahaolana izay hita fa hivoahan’ny firenena amin’izao fikatsoahana izao
koa :
- Miantso ny manamboninahitra rehetra na aiza na aiza misy anareo (Détaché) hiverina an-dakazerina ;
- Miantso ireo manamboninahitra lefitra rahalahy ao amin’ny Tafi-bahoaka sy ireo homme de troupe, hanao soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra hamerenana ny Hasin’ny TanindrazanaMIANDRY ANTSIKA NY FIRENENA