mar.

04

mai

2010

Fahalalahana ao anaty horohoro !

Nankalazaina androany 03 mai ny andro iraisam-pirenena hoan’ny fanalalahanan’ny asa fanaovan-gazety.Nisy ny fizarana loka tamin’ny fifaninana nampanaovin’ny masoivoho Amerikana, 12 mianadahy ireo voafidy tamin’izany.

Raha ny teto Madagasikara dia voahitsakitsaka tanteraka izany fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany, fanapenam-bava ny mpanao gazety amin’ny endriny rehetra no hita eto.Raha tsy hiteny afa-tsy fanagadrana mpanao gazety : Evariste Ramanantsoavina, Lolot Ratsimba, Didier Ravoahangiarison. Ny fampihorohoroana amin’ny endriny mivantana sy ankolaka sns...Ao ihany koa ny tsy famelana ny haino aman-jerim-panjakana hidiran’ny mpanohitra,  ireo mitovy hevitra amin’ny mpitondra ihany no mahazo maneho hevitra ao. Santionany ihany izany fa fifanindrian-javatra ve sa iniana hatao ? fa dia nivazavaza sy naniratsira ny namana mpanao gazety iray, namita iraka tany Pretoria, ireo mpanao gazety namana tao amin’ny onjam-peo iray.Mipetraka ny ahiahy hoe : isika samy mpanao gazety ihany no tsy manaja ny hasina sy ny fahalalahana omena antsika koa aza miandrandra « mana » avy any an-danitra eo e !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra